- Publicité -
lundi, juillet 7, 2025
AccueilFaits-DiversFilaminam-bahoaka eto Toamasina : Manamafy ny fiaraha-miasa amin’ny andrimasom-pokonolona ny polisy

Filaminam-bahoaka eto Toamasina : Manamafy ny fiaraha-miasa amin’ny andrimasom-pokonolona ny polisy

Taorian’ny fivoriana nifanaovan’ny OMC notarihan’ny prefen’i Toamasina Benandrasana Cyrille, sy ireo mpitandro ny filaminana nahitana ny zandary – polisy – miaramila, nandaminana ny famerenana ny filaminam-bahoaka eto Toamasina, dia nanao ny fihaonany tamin’ny andrimasom-pokonolona ho fanamafisana ny fiaraha-miasany amin’izy ireo tao amin’ny kianja mitafo ny Soavita ny polisy nasionaly eto Toamasina. Ny talem-paritry ny filaminam-bahoaka atsinanana mihitsy no nitarika izany, raha nitondra ny fanazavana amin’ny fiaraha-miasany amin’ireo andrimasom-pokonolona ny kaomisera misahana ny tampon-tananan’i Toamasina. Tsy vaovao izao fiaraha-miasa izao, fa efa nisy hatramin’izay fa nohamafisina fotsiny ho fanatsarana ny filaminam-bahoaka eto Toamasina, hoy ny talem-paritry ny filaminam-bahoaka Atsinanana. Mila atao anatin’ny fanajana ny lalàna ny asan’ireo andrimasom-pokonolona, hoy kosa ny kaomisera misahana ny tanànan’i Toamasina, satria tsy azo ekena izany fisian’ny fitsaram-bahoaka sy ireo andrimasom-pokonolona maratra izany. Ankoatra izany dia nohamafisin’ireo andrimasom-pokonolona sy ireo delegen’ny boriborintany dimy eto Toamasina, fa nisy vokany ny fanaovan’izy ireo izany izay nifanohanany tamin’ny polisim-pirenena, satria efa nisy ihany ny vokatra sy ny filaminan’ny fokontany na azo lazaina fa tsy kely lalana ny mpanao ratsy noho ireo olana maro ara-piaraha-monina.

Malala Didier

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici