- Publicité -
mardi, juillet 1, 2025
AccueilFaits-DiversFilaminam-bahoaka eto Toamasina : Mitohy ny fisafoana mandeha an-tongotra isam-pokontany…

Filaminam-bahoaka eto Toamasina : Mitohy ny fisafoana mandeha an-tongotra isam-pokontany…

Mitohy hatrany ny fisafoana mandeha an-tongotra amin’ny alina ataon’ny polisim-pirenena eto Toamasina. Mitarika izany mihintsy ny kaomisarian’i Toamasina renivohitra izay sahanin’ny kaomisera Rakotovao Jean Christian. Nahitam-bokatra ity fisafoana mandeha an-tongotra ataon’ny polisy eto Toamasina ity, satria ny herinandro nivalona iny nahatratra tovolahy roa mpanao fanendahana sy sinto-mahery tao Ambolomadinika ny polisim-pirenena. Nahitana antsy lavalela koa tany amin’izy roa lahy ireto nandritra ny fisamborana azy, izay tena ampiasain’izy ireo tokoa amin’izay olona endahiny ka mamaly azy. Ny fanazavan’ny polisy no nahalalana fa izy roa lahy ireto no isan’ny nanendaka raim-pianakaviana iray tao Ambolomadinika ny 13 jolay lasa teo, izay naratra noho ny fira antsy nataon’izy ireo taminy. Avotra ilay raim-pianakiavana tamin’izay noho ny fitsaboana nataon’ireo mpitsabo taminy. Tsy nandà ny heloka vitany izy roa lahy ireto, ka raha niakatra fampanoavana izy ireo dia miandry fitsarana any am-ponja amin’izao araka ny didy savaranonando. Nanambara ny polisim-pirenena fa miezaka hatrany izy ireo amin’izay fametrahana filaminam-bahoaka izay efa anjara asany. Miezaka ihany koa izy ireo amin’ny fanakaikaizana ny vahoaka amin’ny fiaraha-miasa amin’ireo andrimasom-pokonolona isam-pokontany, izay tena ahitam-bokatra hatrany.

Malala Didier

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici