- Publicité -
vendredi, juillet 11, 2025
AccueilFaits-DiversFilaminam-bahoaka : Hamafisina ny fiaraha-miasa amin’ny andrimasom-pokonolona

Filaminam-bahoaka : Hamafisina ny fiaraha-miasa amin’ny andrimasom-pokonolona

Ny zoma 9 septambra 2016 nanomboka tamin’ny 9 ora alina, dia nanatanteraka fidinana ifotony tampoka ny minisitry ny Filaminanam-bahoaka, ny Commissaire Divisionnaire de Police Anandra Norbert niaraka tamin’ireo mpiara-miasa aminy akaiky eo anivon’ny polisim-pirenena. Fijerena sy fanaraha-maso  mahakasika  ny fandriampahalemana sy ny firongatry ny asan-jiolahy no anton’izao zavatra izao. Teny amin’ny faritra : Andranomena, Ambohimanarina, Sabotsy Namehana, ny boriborintany fahatelo, 67ha, Manarintsoa Isotry,  Anatihazo Isotry ary nipaka teny Andohatapenaka. Nifampiresaka tamin’ireo ben’ny tanana voafidy, ny filoham-pokontany, ny vaomieran’ny fandriampahalemana ary ny  andrimasom-pokonolona ity tomponandrikitra ity ary nanamafy, fa anisan’ny hetsika iray mampihena ny asa ratsy ataon’ireo mpanao izany  ny fiaraha-miasa eo amin’ny  roa tonta amin’ny fanomezana tolo-tànana toy izao.

Natintranterin’ny minisitra, fa handray fihaonana iraisam-pirenena roa isika ato ho ato, dia ny fihaonana an-tampon’ny COMESA ny volana oktobra sy ny OIF ny volana desambra ka mila miomana sy manamafy ny filaminana miaraka amin’ny andrimasom-pokonolona.

Nangonin’i r.s.

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici