Tena mivadika biby mihintsy ny olona nakehitriny amin’ity tsy fananam-bola nefa te-mba hanana ity, misy dia sahy misoloky ankitsirano ny olona sasany ka tsy mifidy asiana antsony amin’ny fikasan-dratsy ataony. Tovolahy iray teto Toamasina no nikasa hivarotra ny moto scooter RSZ ireny tamin’ny alalan’ny tambanjotran-tserasera, “facebook”, no voasoloky ankitsirano ny alahady atoandro teo. Nifanao fotoana tamin’ny alalan’ny tambanjotran-tserasera aloha izy ireo, ka teo anoloan’ny lycée J Rabemananjara ny fotoana. Samy tonga teny izy ireo ary nentina teny koa ilay moto amidy. Natao ny andrana ka nanao taingin-droa izy roalahy talohan’izay. Raikitra ary fa hoe ho vidian’ilay tovolohy iray ilay moto ka natao ny ady varotra rehetra. Nandritra izany anefa dia nilaza ilay tovolohy milaza hividy ilay moto fa “aoka anaovako andrana kely hatretsy aloha etsy ity moto ity”, dia nentiny ilay izy ary iny izy nirifatra nitondra azy nitsoaka ilay tovolahy ary raha narahana avy eo dia tsy hita intsony. Nandritra izay koa tsy nisy Tuc-Tuc nandalo mba hanarahana ny diany, ary tsy hita hatramin’izao ilay moto. Tao anatin’izay anefa raha nojerena ilay tambanjotra “facebook, nifovana izy ireo fotoana dia efa tsy nandeha ihany koa. Midika izao fa efa fisandohana nomanina mafy mihintsy no nitranga, satria hatramin’ny lalana nitsohahany nitondra ilay moto nanaovana andrana dia mihazo iny lalana amin’ny hopitaly be iny. Very hevitra ny tompony ka manao antso avy amin’ireo izay manam-baovao mba hampita izany amin’ny manam-pahefana, mba ahafahana misambotra ireto mpisoloky ireto.
Malala Didier