- Publicité -
mardi, juillet 15, 2025
AccueilFaits-DiversFilaminana eto Toamasina renivohitra : Miseho lany ny fanafihana mitam-piadiana tato ho...

Filaminana eto Toamasina renivohitra : Miseho lany ny fanafihana mitam-piadiana tato ho ato…

Nandritra ny fihaonana teo amin’ireo OJP isaky ny departemantany avy tamin’ny tonia mpampanoa lalana eto Toamasina, izay fanao isan-taona, hamaritana ny asa vita sy ny tanjona manaraka indray mikasika ny filaminana eto Toamasinna, sy ny momba ireo zava-misy samy hafa. Nanamarika ny mpampanoa lalana eto Toamasina fa tsy hampianatra ny asan’ny tsirairay ny tenany, saingy nahatsapa kosa fa tsy manao tatitra ireo OPJ amin’ny asa ataony, fa lasa ireo olon-tsotra indray no mahatonga vaovao amin’ny tonia mpampanoa lalana. Nomarihany tamin’izany fa lasa mahazo vahana ny fanafihana mitam-piadiana raha nangingina izany tahorian’ny “opération” natao sy taorian’ny fandalovan’ny praministra nihaona tamin’ireo tompon’andraikitra samy hafa. Tsy maina akory ny ravina nihinana tamin’ny fametrahana izany hafatra izany, dia efa nisy tranga na fanafihana mitam-piadiana teto Toamasina, soa fa tsy nahafaty olona izany fa ireo vola no lasan’ireto jiolahy tamin’izany. Tao amin’ny paositra Ambolomadinika ity tranga na fanafihana ity, ka raha ny fanazavana dia tsy nisy trano vaky fa ilay jiolahy kosa niafina tao anaty trano fivoahana talohan’izany, ary nivoaka mora izy raha tsy nisy intsony ny olona tao anaty efitrano. Teo am-pinasana ireo vola azony ireo mpiasa tao anatin’izany, ka tsy fantatra mazava ny vola lasan’ireo jiolahy. Nilaza ireo mpiasa fa tsy nisy ny vola lasa, ny ampitso indray nilaza fa vola iray tapitrisa ariary ny vola lasa nefa ny tolakandron’izay dia nilaza indray fa tsy fantatra ny vola lasan’ireto jiolahy. Ny fanadiadiana ataon’ny polisy no hamaritra izany, fa raha ny teo anivon’ny paositra Ambolomadinika aloha dia tsy mazava izany. Ny zava-misy anefa eto Toamasina renivohitra tato ho aty dia miverina mirongatra indray ny fanafihana mitam-piadiana ataon’ireo jiolahy mandeha andiany 02, na 03, na 04.

Malala Didier

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici