Ampahafantarina ireo rehetra nametraka antontan-taratasy mahakasika ny fanadinana handraisana ho mpianatra polisy 650; izay hatao amin’ny 15 sy 16 novambra 2014 mba hanatona ao amin’ny birao misahana ny fandraisana ho mpianatra ho polisy taona 2014 (recrutement) eo anivon’ny minisiteran’ny Filaminam-Bahoaka Anosy eo amin’ny toerana nanaterana antontan-taratasim-panadinana, mba haka ny taratasy fiantsoana azy ireo, hoan’ny toeram-panadinana Antananarivo, fa hoan’ny hafa dia any toeram-panadinana nosafidiany.
Samia mitondra kara-panondrom-pirenena malagasy sy tapakila fanamarinana nametrahana “dossier”.