- Publicité -
mercredi, juillet 2, 2025
AccueilFaits-DiversFilohan’ny filan-kevim-pitantanan’ny OTIV PORT : Maty tampoka, manahy vono olona ny fianakaviany

Filohan’ny filan-kevim-pitantanan’ny OTIV PORT : Maty tampoka, manahy vono olona ny fianakaviany

Salama tsara Atoa Rakotondramanana Dieu Donné niala tao an-tranony ao amin’ny « cité Canada » Toamasina, raha nandeha nivory mikasika ny resaka OTIV Littoral PORT. Hatairana anefa ny an’ireo fianakaviany fa vatana efa mangatsiaka naterin’ny mpitandro ny filaminnaa no tonga tao an-tranon’izy ireo, raha efa nentina teny amin’ny hopitaly.

Manahy vono olona ao anatin’izao raharaha izao ny fianakaviany noho izany, satria filohan’ny filan-kevim-pitantanan’ny OTIV ACOA PORT izay nivadika ho OTIV Littoral ny tenany, ka betsaka ny tsiambarantelo hainy momba ny olana misy eo amin’ny OTIV ACOA sy ny OTIV Littoral sy amin’ny volan’ireo mpikambana amina miliara nanjavona tao amin’ny OTIV ACOA ity teo aloha. Raha ny fanazavana azo tamin’ny fianakavian’ny maty dia tsy nampahalalana azy ireo mihintsy ny faharariana tampoka nahazo ny havany nefa voalaza fa nentina hopitaly, izy efa maty vao fantatra. Ity olan’ny OTIV roa ity mantsy dia efa im-betsaka niakatra fitsarana fa tsy mbola misy valiny mahafa-po hatramin’izao noho ny fahasarotany ; ny tena antontan-taratasy momba azy koa nangatahan’ny minisitry ny fitsaran’ny tetezamita tamin’izany fotoana izany dia mbola tsy niverina eo anivon’ny fitsarana hatramin’izao, satria ny filoham-pirenena tamin’izany no notorian’ireo mpikambana tamin’izany, noho ny orinasan’ity filoha ity nisahana ny fitantanana ny kaontin’ny orinasa tamin’izao fotoana izay. Mandritra ny fandalovan’ny filoham-pirenena ankehitriny teto Toamasina, izay mateti-piseho amin’ny sora-baventy hatrany ny fitarainan’ireo mpikambana tao amin’ny OTIV ACOA ity amin’ny fanjavonan’ny volan’izy ireo amina miliara izao.

Efa nilaza ny mandray an-tanana ny raharaha ny filoha sy ny ekipany, ary tsy maintsy asiana valiny ny volan’ny mpikambana very, ka heverina ho dinika momba izay izao nahafaty tampoka mampanahy an’Atoa Rakotondramanana Dieu Donné izao.

Malala Didier

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici