- Publicité -
mardi, mai 13, 2025
AccueilFaits-DiversFilohan’ny HAFARI : Hampanantsoina eny amin’ny zandary

Filohan’ny HAFARI : Hampanantsoina eny amin’ny zandary

Etsy Fiadanana, eo anivon’ny zanday misahana ny raharaha ady heloka bevava no hatao ny fihainoana an’i Jean Nirina Rafanomezantsoa. Amin’ny alarobia izao, amin’ny sivy ora maraina, ny voasoratra ao anaty taratasy fampiantsoana azy. Nilaza ny tenany fa vonona ny hiatrika ny fanadihadiana ary tsy hihemotra amin’izany satria tsy misy ahiany. Ankoatra izay dia tsy misy na inona na inona fantany momba izany fampiantsoana izany, satria tsy voasoratra  ao anatin’ilay taratasy. Ny zandary izay nanontaniana indray dia nilaza fa mahakasika ady tany, izay efa nitranga tany aloha tany, izy io ary tsy misy ifandraisany amin’ny fikasan’i Jean Nirina ny hilatsaka hofidiana ho filoham-pirenena. Niainga tamin’ny taratasy tsy fanta-piaviana nitory ny fikambanana tarihin’ny olona voakasika, izany hoe ny fikambanana HAFARI Malagasy izany, raha araka ny fanampim-baovao ao momba ity raharaha ity. Ny mahavariana fotsiny, sady mampametra-panontaniana izay nahafantatra ity fampiantsoana ity dia ny hoe raha resaka ady tany ve dia any amin’ny mpitandro ny filaminana izay misahana ady heloka bevava no tokony hatao ny fanadihadiana ? Raha tsiahivina fohy dia efa nidoboka am-ponja nandritra ny herintaona tao Antanimora ity filohan’ny fikambanana ity. Herintaona latsaka kely koa izay no nivoahany tao ary dia izao ahiana manomboka izao indray ny fanenjehana sasantsasany.

D.R

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

1 COMMENTAIRE

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici