- Publicité -
lundi, janvier 19, 2026
AccueilFaits-DiversFilohan’ny Holafitry ny infirmiera vaovao : Hiady amin’ireo mpisoloky sy ireo sekoly...

Filohan’ny Holafitry ny infirmiera vaovao : Hiady amin’ireo mpisoloky sy ireo sekoly tsy manara-dalàna

John Love (ankavanana) indray no hitantana ny Holafitry ny infirmiera manomboka eto.

« Simba tanteraka ny tontolon’ny infirmiera, noho ny fisian’ireo mpandoto rano ao anatiny, ary ataoko laharam-pahamehana ny fameran-kasina sy fanadiovana izany « corps » izany ». Mahitsy tanteraka ny fanambarana nataon’Atoa Andrianarison Jean Aimé Botosera, fantatry ny maro amin’ny hoe John Love , izay filoha hitantana vaovao indray ny Holafitry ny infimiera eto Madagasikara.

Tao anatin’izay fotoana maharitra izay, hoy izy, dia maro loatra ireo misoloky ny asan’ny infirmiera eto amintsika. Ambonin’izay, misy amin’ireo sekoly sasantsany mpampiofana ireo « paramed » no mivarotra diplôma tsotr’izao amin’ireo mpianatra, izay fantatra fa tsy manana fahaizana mihitsy amin’izany asa izany. Misy ihany koa ireo sekoly tsy manara-dalàna, izay milaza fa mahavita mamoaka infimiera ao anatin’ny andro vitsy monja, raha toa ka tokony ho telo taona farafahakeliny vao mivoaka ho amin’izany. « Zavatra tsy azo ekena izany. Manomboka izao, izany ady izany no ataonay vaindohan-draharaha, manaraka ireo vina hafa nentiko nandritra ny fampiezalan-kevitra nataoko. Hotilianay sy hosamborina ireny mpisoloky sy ireo ao ambadik’ireny fianarana tsy manara-dalàna ireny ary tsy handefitra izahay na iza io na iza. Mazava ho azy, tsy maintsy hiaraha-miasa amin’ny mpitandro filaminana sy ny fitsaràna izany » hoy hatrany izy.

Nandray ny asany omaly moa ity Filoha vaovaon’ny holafitry ny infimiera ity, taorian’ny famindram-pitantana vita tetsy amin’ny foiben-toeran’izany holafitra izany, tetsy Fort Voyron. Fifamindram-pitantanana tao anatin’ny firahalahiana tanteraka teo aminy sy ny filoha teo aloha. Ity farany dia nankahery sy nirary soa ho azy hahavita be amin’ny andraikitra sahaniny.

Tsara marihana fa nanomboka ny taona 2007 niforonan’ity holafitry ny infirmiera ity dia izao vao hiova mpitantana izany. Tsy tanteraka foana mantsy ireo fifidianana nokasaina ataon’izy ireo hanovàna ny birao tao anatin’izay taona maro izay. Ankehitriny tanteraka soa aman-tsara io fifidianana, izay natao ny 30 novambra lasa teo, ary nahavoafidy an’i John Love ho filoha.

m.L

- Publicité -
Suivez nous
419,278FansJ'aime
14,461SuiveursSuivre
5,417SuiveursSuivre
1,920AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici