- Publicité -
mardi, mai 13, 2025
AccueilFaits-DiversFilohan’ny Oniversiten’i Toamasina : Nandray ny toerany ny Pr Zafitody Conscient

Filohan’ny Oniversiten’i Toamasina : Nandray ny toerany ny Pr Zafitody Conscient

Ny filoha vaovaon’ny oniversite

Vita omaly maraina ny famindram-pitantanana teo amin’ny filoha vaovaon’ny Oniversiten’i Toamasina Pr Zafitody Conscient, sy ny filoha teo aloha Pr Velo Jerome, tonga nihatrika izany ny tale jeneralin’ny fanofanana ara-tsiansa eo anivon’ny minisitera. Nandritra izao famindram-pitantanana izao no nilazan’ny tale jeneralin’ny fanofanana ara-tsiansa fa tena am-pirahalahiana ny zava-nisy teto Toamasina, raha saika ahitana romoromo sy madilana azo tetenina avokoa ny amin’ny toerana sasany, amin’ireo tsindro paingotra ifanaovan’ny filoha miditra sy ny mivoaka eo anivon’ny Oniversite misy azy ireo avy. Ny filoha vaovao Pr Zafitody Conscient kosa nilaza fa ny fifanakalozan-kevitra sy ny fifampioresahana ao anatin’ny fihavanana eo amin’ny mpitantanana sy ny mpiasa ary ny mpianatra ny fomba itondrany ny Oniversite eto Toamasiana. Tsy misy sekoly fanofanana ho filohan’ny Oniversite izany, fa ny fiaraha-miasa tsara eo amin’ny mpandraharaha sy ny mpianatra ary ny mpitondra no ahafahana mitondra izany amin’ny ara-dalana, hoy hatrany ny filoha vaovao. Toerana tsy hialan’ny fitokonana sy olana eo amin’ny mpianatra sy ny mpampianatra ary ny mpitondra ny Oniversite, saingy mila halamina amin’ny fifampiresahana izany. Ny tanjona koa izao dia ny famoahana daty tokana ho fidirana eo anivon’ny Oniversite, mba tsy hisy ho lasa lavitra nefa misy ireo taraiky. Ho an’ny filoha teo aloha kosa izay tsy afaka nirontsaka intsony noho ny lalana eo anivon’ny Oniversite fa in-02 ihany ny manda ny filoha iray raha be indrindra, dia nilaza Pr Velo Jerome fa betsaka ny asa vita sy fanovana natao, saingy mbola betsaka ny miandry hahatonga ny Oniversiten’i Toamasiana ho Oniversite hafa-02 eto Madagasikara. Ny olana ara-mpampianatra sy mpanabe no misy izao, satria saika mpampianatra mpikaroka mpanampy avokoa ny antsasa-manilan’ny mpampianatra ao Barikamdimy ary efatra monja ny Profesora, ka mila ezaka goavana ny fanatsarana izany.

Malala Didier

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici