Mafy ny mpisoloky. Mandeha avokoa ny kilalaon-tànana sy fanova-maso. Tetsy Anosizato, fasan’ny karàna, toerana izay tena betsaka olona mivezivezy noho ny fisian’ny fiantsonan’ny taxi-brousse, no nitranga ny asaratsy. Nanakalo finday ny olona iray ary indrisy fa rehefa tonga tany an-tranony ka nijery ny zava-baovao : biriky no tonga tany. Eo vao nikoropaka sy nitadidy izay natao rehetra. Na izany aza anefa tsy kivy fa nanatona ny biraon’ny polisy etsy Mahamasina. Natao ny vela-pandrika ary telo lahy no voasambotra rehefa tadidy avokoa ny tarehin’ireo olon-dratsy. Feno mpisoloky ny tanàna ary misy fandraikirekena matetika hany ka na mailo aza ny olona dia misy voafandrika ihany.
D.R




