- Publicité -
mercredi, mai 14, 2025
AccueilFaits-DiversFiombonana - Avaradrano : Miaramila nitifi-tena rehefa tsy nahazo rariny tamin’ny...

Fiombonana – Avaradrano : Miaramila nitifi-tena rehefa tsy nahazo rariny tamin’ny lehibeny

Tranga nampivarahontsana ny mpiara-monina no hita tao amin’ny  tanànan’i Marobiby, ao amin’ny kaominina  Fiombonana, distrik’Antananarivo Avaradrano,  ny zoma 2 janoary teo. Miaramila mitondra ny girady kilasy faharoa   antsoina hoe Raminoson Mamitiana Alain Michel, no maty tsy tra-drano rehefa nitifi- tena tamin’ny basiny, tao an-tranon’ny anabaviny, ny tolakandron’io zoma io. Ny vaovao avy amin’ny zandary izay niandraikitra ny fanadihadiana mikasika ity raharaha ity dia milaza fa miaramila avy ao amin’ny RTS  eny Fiadanana ity namoy ny ainy ity. Araka ny fijoroana vavolombelona nataon’ny anabaviny sy ny vadiny,  dia ny tsy fankasitrahan’ny lehibeny ny zavatra nataon’ity miaramila ity   sy ny namany mpiara-miasa aminy nandritra ny   iraka nataony  tany amin’ny distrikan’i Fenoarivobe ny  volana janoary teo , no antony nampamoy  fo azy toy  izao. Ny 30 janoary,  dia tonga tao amin’ity  anabaviny ity ilay miaramila ka nilaza fa nidaroka olona mamo lava tany Fenoarivobe tany.Nilaza anefa izy, fa efa nanaovany tatitra tamin’ny lehibeny    izany  nefa tsy nanome rariny azy ity farany, fa nandiso azy tanteraka. Noho izay antony izay, dia nilaza tamin’ny vadiny sy ny anabaviny izy fa tsy maintsy hamonotena hono. Notanterahiny tokoa izany io zoma io. Ny fanadihadiana nataon’ny zandary  no nahalalana, fa basykalaky no nitifirany ny tenany teo amin’ny handriny ; izay gorobaka tanteraka. Rehefa nozahana ny tranom-bala  niaraka tamin’ilay basy, dia hita fa bala telo no niala tao.

T.M.

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici