Mbola tsy fantatra ny daty iaingain’ireto olona ireto fa dia natoby fotsiny tamin’ny toerana iray tany amin’iny distrikan’Ambanja iny fotsiny izy ireo. Teo no saron’ny zanadary izy ireo, ny herinandro lasa teo. Tonga teny am-pototsofin’ireto mpitandro filaminanaa ireto moa ny fisian’io toerana iray nitobian’ireto mpiondrana an-tsokosoko ireto. Trano iray, teo amin’ny nosy kely iray tao amin’ny fokontany Andilamboay, kaominina Maherivaratra, distrikan’Ambanja. Nisy avy hatrany ny fandefasana mpitandro filaminana tsy nanao fanamiana nandeha nanamarina ny vovao, ka taorian’izay vao niroso tamin’ny fisamborana ireo zandary. Tra-tehaka tao amin’ity trano ity moa ny olona 16 : lehilahy efatra, vehivavy sivy ary ankizikely miisa telo. Efa vonona miaraka amin’ny entany avy izy ireo ary toa hoe miandry ny daty hiaingàna any Mayotte sisa. Marihina fa tsy misy taratasy ara-dalàna hahafahan’ireo mandeha miondrana mankany. Anisan’ireo olona voasambotra tamin’ity ihany koa moa ny tompon’ny trano, izay heverina fa isan’ireo mpikambana ao anatin’ity tambajotra mpanondrana olona ity. Ity farany izay tsy nanam-po velively ny fahatongavan’ireo zandary ka torana tsy nahatsiaro tena. Efa nentina nihazo toeram-pitsaboana moa izany ramatoa izany, nambenana zandary roa lahy. Tetsy an-danin’izay kosa, nentina avy hatrany nihazo ny biraon’ny zandary ao Ambanja kosa ireto olona nikasa ny hiondrana an-tsokosoko ireto, mba hatao famotorana. Tato ho ato tokoa izay dia maro amin’ireo mponina, indrindra fa any amin’iny tapany avaratry ny nosy iny no manapa-kevitra handeha an-tsokosoko atsy amin’ny nosy Mayotte. Vola an-tapitrisany maro no takian’ireo mpanondrana amin’izany, ho saran-dalana. Botry na vedety haingam-pandeha no handehanana amin’izany, entina mamakivaky iny ranomasim-be iny. Hany ka tsy atao mahagaga raha maro ireo tsy tonga akory any amin’ny tany hitodiany, namoy ny ainy eny an-dalana, ankoatra ireo voasambotra aty na rehefa tonga any.
m.L