- Publicité -
samedi, mai 10, 2025
AccueilFaits-DiversFiondranana an-tsokosoko : Mpandeha telo avy any Nosy Be tra-tehaky ny miaramila

Fiondranana an-tsokosoko : Mpandeha telo avy any Nosy Be tra-tehaky ny miaramila

Nanararaotra ny fidadasiky ny sisintanin’Ambanja ireo mpiondrana an-tsokosoko.

Nahitam-bokany sahady ny fanaparitahana ireo miaramila hiaro ny « sisin-tany » any amin’iny tapany avaratry ny Nosy iny, ny herinandro lasa teo.  Mpandeha niisa telo, izay niondrana an-tsokosoko avy any Nosy Be no tra-tehaky ny miaramila avy ao amin’ny ZMPI. Nandritra ny fisafoana an-dranomasina nataon’ireto mpitandro filaminana ireto no nahitàn’izy ireo ireto mpiondrana an-tsokosoko ireto, ny voalohan’ny herinandro teo, teo amin’ny seranan-tsambo Antsahapano, kaominina Ambanja. Araka ny filazàna azo avy amin’ny Tafika moa dia efa natolotra ny zandary any an-toerana izy telo miralahy ireto, mba hatao famotorana.

Marihana fa mbola mitoetra ary tsy mbola tapitra ilay fepetra noraisin’ny Filohan’ny Repoblika ny amin’ny fikatonana tanteraka ho an’ny faritra Nosy Be sy faritra Boeny, izay tsy tokony hisiana olona hivezivezy, ankoatra ny entana. Izany dia mba hisorohana tanteraka ny fiparitahan’ity areti-mandoza, tafiditra sy mandripaka eto amin’ny firenena ity. Hentitra dia hentitra ihany koa ny baiko azo amin’ny tokony hiarovana ireo sisin-tany, izay entina hiadiana amin’ireo mpiondrana an-tsokosoko, indrindra fa amin’izao vanim-potoana hisian’ny areti-mandoza « Covid-19 variant » izao. Tsiahiviana fa niditra an-tsehatra avy hatrany tamin’izany anjara asa izany teo anivon’ny Tafika malagasy, izay efa nanaparitaka ireo olombelona rehetra tao aminy, hanantateraka izany baiko izany. Ny eo anivon’ny Tafika izay mandray anjara mavitrika amin’ity ady iraisana amin’ny fahavalo tsy hita maso ity kanefa dia mandripaka sy mamono olona maro.

m.L

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici