Nanao ny tatitry ny vokatra azony tao anatin’ny herinandro ireo talen’ny filaminam-bahoaka sy ireo kaomisera ary ny komandan’ny Fip teto Toamasina ny alahady misandratr’andro teo. Tamin’izany no nilazan’izy ireo ireto jiolahy tratrany, ka isan’izany ilay vono olona feno habibiana teny Canada tao an-damosin’ny trano fanavaom-petin’ny seranan-tsambo.
Mpivady ireo maty nisy namono tao an-tranony ireo izay efa misotro ronono avokoa, ka ilay rangahy 76 taona niasa teo anivon’ny seranan-tsambon’i Toamasina teo aloha, ary ilay ramatoa 69 taona kosa nanao ny asan’ny mpampivelona tao amin’ny hopitaly be. Mifamaofao be ny fomba nahafaty azy mivady novonoin’ny olona ireto, satria ny MBH nilaza fa efa 04 hatramin’ny 05 andro teo izy ireo no maty noho ilay fomba nahitana ny razana; ny alatsinainy teo koa no nambaran’ilay jiolahy tratra nangalatra tao amin’izy mivady maty ireto no niditra tao voalohany ny tenany ka efa maty izy ireo. Ny mpiara-monina amin’izy mivady indray nilaza fa eo amin’ny 03 andro ny nahafaty azy mivady, satria mbola nifampiarahaba tamin’izy ireo ilay rangahy maty ny alakamisy atoandro teo, izay noheverina fa ny zoma hariva na ny zoma alina no nitranga ny vono olona. Ny nahatraran’ny fokonolona ity jiolahy nitondra ny fahitalavitra nivoaka avy tao amin’izy mivady ireo no nahalalana fa efa maty izy ireo, ka ilay vehivavy teny an-dakozia no hita faty raha avy nosemporina, ilay rangahy kosa teo am-baravaran’ny trano fandraisam-bahiny voatsatok’antsy maromaro ny vatany. Ny hany fantatra aloha hatreto dia efa tratra ary efa mandalo fanadiadiana eo anivon’ny polisy misahana ny heloka bevava bazary kely, ilay rangahy nangalatra sy namono azy mivady noho ny resaka fahitalavitra sy ny mifandraika amin’ny zava-maneno. Efa tonga nikarakara ireo razana koa ny teo anivon’ny sampana sosialin’ny kaominina sy ny Bmh, eo am-piandrasana ny zanak’izy ireo tokana miasa manao ny asa mpitsabo mpanampy lavitra an’i Toamasina.
Ankoatra izany ny fahatraran’ny polisy ny FIP ireo mpamaky trano tao amin’ny pont mainty Verrerie. Efa nanomboka ny sabotsy ny fisamborana ireto mpamaky trano ireto, ka nandritra izany dia fito voasambotra, ny iray kosa maty voatifitra izay mbola nahatrarana basy PA “callibre 12” iray niaraka tamin’ny bala efatra, ary vehivavy iray mpanome ny vaovao ireo jiolahy. “Panneau solaire”, “batterie” roa, sy ireo fitaovana samy hafa no tratra tamin’ireto mpamaky trano sarona ireto. Efa miditra fakana am-bavany ireto jiolahy fito azo sambom-belona ireto eo anivon’ny kaomisaria “central”.
Malala Didier