- Publicité -
samedi, juillet 5, 2025
AccueilFaits-DiversFiparitahana fitaovam-piadiana : Basy tsy ara-dalàna maromaro, tra-tehaky ny pôlisy

Fiparitahana fitaovam-piadiana : Basy tsy ara-dalàna maromaro, tra-tehaky ny pôlisy

Basy vita gasy ny maro ary basim-borona ny hafa. Fitaovam-piadianana tsy ara-dalàna maromaro tokoa no tra-tehaky ny teo anivon’ny pôlisim-pirenena nandritra ny faran’ny herinandro teo fotsiny. Nisy ny teto an-drenivohitra ary nisy ireo tany amin’ny faritra. Anisan’izany ny tetsy Andavamamba, raha voasambotry ny pôlisin’ny UIR, ny lehilahy iray, izay efa ahiahiana fatratra ho olon-dratsy. Ny sabotsy lasa teo dia tra-tehaka ny lehilahy niaraka tamin’ny namany roalahy. Rehefa natao ny fisavàna dia nahitàna basy vita gasy calibre 12 tany amin’izy ireo, niaraka tamin’ny fanamiana miaramila, araka ny vaovao azo. Torak’izany ihany koa ny tetsy Itaosy, ny zoma lasa teo, rehefa nahazo vaovao ireo tompon’andraikitra ka niroso tamin’ny fisafoana ilay faritra voalaza fa fieren-jiolahy. Roalahy no voasambotra tamin’io. Tratra tany amin’izy ireo ny basy « revolver » iray. Fitondran’izy ireo manendaka io basy io araka ny filazan’izy ireo tamin’ny famotorana azy.

Tany amin’iny distrika Mahabo iny indray kosa dia basim-borona telo sy ody gasy roa kitapo no saron’ny pôlisy ny alahady lasa teo. Tra-teka tany amina telolahy ireto fitavaom-piadiana ireto, izay saika nentina nanao fanakorontana teo an-tanana. Tsy maintsy niditra an-tsehatra moa ireo mpitandro filaminana nisambotra azy ireo. Fa mbola basy vita gasy hatrany no azo teny am-pelan-tanana lehilahy tao Besasady, Toliara ny herinandro lasa teo. Nisy bala calibre 12 anakiroa sy balana kalach roa ihany koa moa niaraka tamin’izany ary ody gasy maromaro.

m.L

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici