Fitaovam-piadiana mahery vaika, fampiasan’ireo mpitandro filaminana no tra-tehaka teny an-tanan’olon-tsotra omaly tany Andrainjato, Fianarantsoa. Lehilahy miisa telo no voarohirohy tamin’izany ary efa samy nentina nanaovana fanadihadiana avokoa. Grenady sy balana « lance-rocket » ! Tsy fantatra hoe tamin’ny fomba ahoana na tamin’ny fomba ahoana no nahazoan’ireto olona ireto ireto fitaovam-piadiana manokana sy tena mahery vaika ireto. Omaly tokony ho tamin’ny folo ora maraina tany ho any tokoa no nahazo vaovao ny teo anivon’ny pôlisy avy ao amin’ny Fitaleavam-paritra any Matsiatra Ambony, mahakasika ny fisian’ireto fitaovam-piadiana eny an-tanana sivily ireto. Eo anatrehan’ny tsy fandriampahalemana manjaka any amin’ny faritra iny dia tsy nanao ambanin-javatra izany karazam-baovao izany mihitsy ireto tompon’andraikitra fa avy hatrany dia nanao ny fanadihadiana, hikarohana izay mitazona izany fitaovana izany. Fantatra taorian’ireo tsongo-dia maromaro fa olona mipetraka ao Manaotsara, fokontany Antanifotsy Andrainjato, kaominina ambonivohitr’i Fianarantsoa no mitazona izany. Nisy avy hatrany ny fidinana ifotony natao tao amin’ilay tokatrano niaraka tamin’ny fisavàna. Tra-tehaka tamin’izany, hoy ny fampitam-baovao avy amin’ny pôlisim-pirenena ny « obus pour lance-rocket » (bala mipoaka), « grenade inerte » grenady fentin’ireo mpitandro filaminana manao fanazaran-tena ary « grenade defensive » na ilay grenady fenti-miady mihitsy. Telo lahy izy ireo no tao amin’ity tokatrano ity, izay heverina fa nitazona ireto zavatra ireto, ka nentina avy hatrany natao famotorana tany amin’ny biraon’ny pôlisy. Ireto fitaovam-piadiana tratra ireto kosa dia inoana fa omena ireo tompon’andraikitra amin’izany, ahafantarana sy ahitàna ny tena niaviany. Inoana araka izany fa tsy hijanona amin’ny fisamborana azy telolahy ireto ihany ny fanadihadiana fa mba hitohy hatrany amin’ny loharano niavian’izany fitaovam-piadiana mahery vaika izany. Ny tena loza mantsy, raha izao no mitohy, raha mbola miriaria any foana ireo mpanao trafikana fitaovam-piadiana dia ireo dahalo sy ny olon-dratsy indray no ho tsara fitaovana lavitra mihoatry ireo mpitandro filaminana. Hany ka tsy mahagaga intsony misy amin’ireo dahalo sy ny jiolahy no sahy mihantsy ady amin’ireo mpitandro filaminana …
m.L