- Publicité -
mardi, juillet 1, 2025
AccueilFaits-DiversFiparitahana fitaovam-piadiana : Toerana fanamboarana basy tra-tehaky ny zandary

Fiparitahana fitaovam-piadiana : Toerana fanamboarana basy tra-tehaky ny zandary

Miafina ao ambadiky ny fanamboarana ireny “cadenas” sy ny lakileny ireny ity toerana iray mpanamboatra basy sy bala tany amin’iny distrikan’Ambanja iny. Tsy nahasakana ireo mpitandro filaminana hanara-maso azy anefa izany ary tra-tehaka ny nafenina. Basy poleta maromaro, PA sy karazana “revolver” miaraka amin’ny bala sahaza amin’ireo tsirairay avy, ankoatr’izay ny basy lasa sy ny balany. Efa toy ny karazana orinasa kely iray mihitsy ity saron’ny zandary avy ao amin’ny tobim-paritra Ambanja ity. Rehefa nisy tokoa mantsy ny loharanom-baovao voaray mahakasika ny fisiana toerana fanamboarana basy sy mpanaparitaka fitaovam-piadiana any amin’iny fanritra Sava iny, dia niroso tamin’ny fanadihadiana sy ny fanaraha-maso ireo tompon’andraikitra. Niantefa tamin’ity toerana tao Ambaibo ity ny ahiahy. Natao ny fisavana ka izao tra-tehaka tao izao ireo porofo rehetra nanamarina ny fanamboarana ireto fitaovam-piadiana ireto, niaraka tamin’ireo fitaovana maro isan-karazany, izay azo lazaina fa arifomba amin’ny fanefena ireo basy ireo. Nahitana cadenas marobe niaraka tamin’ny fanalahidy isan-karazany ihany koa moa tao amin’io toerana io. Raha ny fampitam-baovao azo dia tafaporitsaka ireo olona tompon’antoka tamin’izao tranga izao ary efa eo am-pikarohana azy ireo manam-pahefana any an-toerana. Raha ny eto amintsika tokoa dia voarara ary enjehin’ny lalàna tanteraka ny famoronana, ny fanamboarana ary ny famarotana tsy nahazoana alàlana ireo fitaovam-piadiana voatsokajy fahatelo, toy ny basy, ny bala sy ny manodidina azy. Efa misokatra araka izany ny fanadihadiana mahakasika ity tranga ity any an-toerana.

  1. L

 

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici