Tsy mitsitsy ! Na ny mpifoka, na ireo mpitsindrona, na ireo mpivarotra na ireo mpamongady, samy noraofin’ny pôlisy ary nosamborina sy nanaovana fanadiahadiana avokoa, teto an-drenivohitra, nandritra iny volana aprily lasa iny. Aman-jatony mahery tany ho any izy ireo, hoy ny fampitam-baovao azo. Nandritry ny hetsika nataon’ny pôlisy ho amin’ny ady amin’ny fiparitahan’ny zava-mahadomelina moa no nahazoana izany. Tao anatin’io hetsika io no nahazoana rongony maina hatrany amin’ny 220 kilao latsaka kely tany, heroïne na rôrô 850 grama, ary « cristal Méthamphétamine » eo amin’ny 2,3 kilao teo. Hiarahan’ny rehetra mahalala ny firongotr’ireo mpidoroka amin’izao fotoana izao, indrindra fa ho an’ny eto an-drenivohitra manokana. Ankoatry ny rongony fohana dia niha-nahazo vahana ihany koa ireo rongony mahery vaika hatsindrona. Tao anatin’ny volana vitsivitsy izay, dia tsy nijanona ary tsy natao intsony ho an’ireo « manankatao » ny fandraisana izany rongony atsindrona izany, fa na ireo azo lazaina fa sokajin’olona marefo ara-pivelomana sy ireo tanora ary ireo zaza tsy ampy taona indray dia efa manandrana ihany koa. Ny tena nahavariana sy nahagaga ny mpanara-baovao dia saika izy ireo indray aza no betsaka mandray izany, noho iretsy voalohany. Izay toe-javatra izay no nanosika ireo mpitandro filaminana hiara-hisalahy hiady amin’ny fiparitahan’ity zava-mahadomelina, indrindra fa ity rongony mahery vaika ity. Ary mbola manentana ny rehetra ihany koa hiara-hifanome tanana amin’izany ady sy tolona izany. Ho an’ireo teo anivon’ny pôlisim-pirenena manokana dia nisy hatrany ny fanentanana, nidinana ifotony mihitsy teny anivon’ireo sekoly. Nahatratra 16 no isan’ireo efa notsidihana, tao anatin’ny dimy volana izay ary mpianatra teny anivon’ny lycée manodidina iray alina mahery tany ho any no voentana.
m.L