Mbola tsaboina ao amin’ny efitrano famelomana aina ny telo amin’ireo miaramila, izay tena voa mafy. May tanteraka ny 60% amin’ny tenan’izy ireo, raha araka ny fanamarihana azo. Afaka nody kosa ireo dimy ambiny rehefa nahazo ny fitsaboana sahaza teo anivon’ny hopitaly miaramila etsy Soavinandriana. Mahakasika iny raharaha iny dia fantatra fa ny zandarimaria no hanokatra ny fanadihadiana. Raha tsiahivina dia nirefotra tao anatin’ny fanazaran-tena miaramila tao Langaina ny vanja, izay saika nampiasaina nandritra io fiofanana io. Hatreto aloha dia noho ny hafanana no nitarika an’izany, ary io niteraka fahafatesana sivily iray miasa eo anivon’ny foloalindahy sy faharatràna ho an’ny miaramila sivy. Noraisin’ny tafika ny fitsaboana rehetra an’ireo naratra. Efa tafiakatra tany amin’ny dimy tapitrisa ariary tany no lany hatramin’ny omaly, raha araka ny loharanom-baovao miaramila. Raha ny fanazavana ofisialy dia nandritra io fanazaran-tena io no nipoahan’ny vanja. Misy ihany koa anefa ny loharanom-baovao hafa izay nampita fa afomanga saika hopotehina, satria efa lany daty, no nirefotra tao anaty kamiao miaramila ary tsy tany Langaina izany no niseho ny loza fa tany amin’ny lalan-dratsy tany ambadiky ny Radio Nederland. Tsilian-tsofina ihany izany saingy azon’ny mpanao fanadihadiana hamarinina izany mandritra ny fanatontosana ny asan’izy ireo. Samy nanana ny fahitany ity loza tsy nampoizina ity ny mpanara-baovao. Tao no nilaza fa misy tsy fahamatorana sy lesoka izany teo anivon’ny fampiofanana, satria isan’ny saro-pady ny fampiasàna sy fitaterana vanja izany. Nisy koa anefa ny nahita fa loza toy ny loza rehetra ihany izany ary tsy nampoizina velively.
D.R