- Publicité -
dimanche, mai 11, 2025
AccueilFaits-DiversFirongatry ny valanaretina Covid-19 eto Toamasina : Mikatona 14 andro ireo sekoly...

Firongatry ny valanaretina Covid-19 eto Toamasina : Mikatona 14 andro ireo sekoly ahitana coronavirus voamarina ao aminy

Taorian’ny fivoriana nataon’ny CRCO teo anivon’ny faritra atsinanana izay tarihan’ny governora Rafidison Théodore, dia namoaka didim-pitondram-paritra ny prefen’i Toamasina Atoa Razafiarison Jean Jugus mikasika ireo fepetra tsy maintsy tanterahina amin’izao firogatry ny Covid-19 eto Toamasina izao. Voalaza tamin’izany fa tsy maintsy manao arovava orona avokoa ny olona mivoaka ny tranony, ny tsy fanaovana izany dia mety hiaran’ny “TIG” na “Travaux d’Interet Général” amin’ny fisavana ataon’ny mpitandro ny filaminana. Tsy maintsy mametraka ny fomba fanasana Tanana ireo tranom-panjakana sy ireo birao tsy miankina rehetra. Tsy maintsy andrarahana fanafody indray mandeha isan-kerinandro farahakeliny ireo biraom-panjakana sy ireo birao tsy miankina ary ireo toerana fivezivezen’ny olona eto Toamasina. Tsy maintsy manao arovava orona sy manaja ny 01m ireo toerana ahitana famoroam-bahoaka, ny tsy fanajana izay dia hahatonga ny fanjakana andray ny andraikiny, hisy ny fanaraha-maso akaiky ny momba azy ireo. Mikatona mandritra ny 14 andro ireo sekoly ahitana olona mitondra ny tsimokaretina voamarina ao aminy, toy izany ny nahazo ilay sekoly tsy miankina ara-pinoana iray ao Anjoma Toamasina. Mila manaja izay voasoratra ao anatin’ny “carte grise”-ny avy sy tsy maintsy manao arovava orona ny mpamily sy ny mpandeha ireo fitaovam-pitaterana rehetra, toy ny Tuc-Tuc – Pousse-pousse – ary ny Taxi-be, ny tsy fanajana izany dia afaka mampiato tsy fahazoana mihetsika 30min ny mpitandro ny filaminana. Tsy afaka misokatra mihoatra ny amin’ny 10ora alina ireo mpivarotra zava-pisotro mahamamo (Bar) samy hafa eto Toamasina. natao ireo fepetra ireo hoy ny prefektiora mba hajaina mandritra ny 15 andro eo manomboka ny 15 mars hatramin’ny 29 mars 2021, koa ho hita eo ny fivoaran’ny valanaretina aorian’izay.

Malala Didier

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici