Nifanenjehana ireo sambo nitondra Andramena amin’ny kaontenera maro. Nampiasaina avokoa na ny helikoptera na ny vedety. Ireo zandary avy ao amin’ny GSIS, sampana voaofana amin’ny fidirana an-tsehatra manokana, no nanao ny fisamborana raha araka ny vaovao avy any an-toerana. Ny alin’ny alahady teo no nanaovana izany teo amin’ny manodidina ny nosy Sainte-Marie. Raha araka ny loharanom-baovao akaiky ny mpitandro ny filaminana dia tsy nisy tratra ireo olona tao anatiny. Dikany, efa nisy nanome vaovao mialoha ka afaka nitsoaka indray. Tao Anjahambe, mifanandrify amin’i Fenoarivo-Atsinanana, ary tsy mifanalavitra loatra ny nosy Sainte-Marie no tena nahitàna ireo sambo roa izay mitondra ny anarana Sandrilala sy Armel. Mbola nisy anarana iray hafa ihany koa notaterin’ny loharanom-baovao avy any an-toerana, sambo sinoa “Men Phen”, raha araka ny fanazavan’izy ireo. Saingy mbola tsy nohamarinin’ny loharanom-baoao ôfisialy aloha izany. Nisy ihany ny olona nohainoan’ny mpitandro ny filaminana mahakasika ity raharaha ity. Raha ny tombatomban’ny olona dia niainga avy any Maroantsetra ireo sambo ary saika hihazo an’i Sainte-Marie. Efa nampoizina ihany ary efa nampitain’ny mpanao gazety mpanao fanadihadiana izay nidina tany amin’iny faritra iny, iray volana talohan’izao, fa hisy ny fanondranana alohan’ny faran’ny taona. Efa fantatra hatramin’ny sambo aza izany. Nentin’izy ireo nanamarina an’izany ny hoe mora kokoa ny fanondranana amin’ny faran’ny taona noho ny antony roa. Voalohany dia tsy misy eo an-toerana intsony ny manam-pahefana fa lasa miala sasatra any an-toeran-kafa, hany ka mora kokoa ny fampidirana an-tsambo ireo hazo sarobidy. Ny antony faharoa indray dia ara-teknika : milamina kokoa ny ranomasina sy ny tsiokan-drivotry ny alizay rehefa faramparan’ny desambra. Dia io tokoa fa nisy ny fanondranana saingy mba nisy ny fandraisana andraikitry ny mpitandro ny filaminana tamin’ity indray mitoraka ity. Mbola isan’ny fanazavana nentin’ireo mpanao gazety ireo fa mainka koa manamora ny fanondranana ny tsy fisian’ny fanafoanana ny fadin-tseranana tao Maroantsetra. Entina mivoaka tsikelikely ny ala arovana ireo hazo “stock” izay tsy tokony ho azo ahetsika intsony. Ampanakaikezina ny ranomasina ary eo amin’izay no hanondranana azy. Mbola santionany fotsiny araka izany ity tranga ity, satria mbola marobe ireo misy mikasa ny hanondrana, indrindra alohan’ny faran’ny taona. Efa porofo mivainganaina izao.
D.R