Tsy nataony ho fakàna « j’aime » fotsiny no namoronan-dranamana ireo kaonty fako amin’ny anaran’olona ambony maro teto amin’ny firenena fa nataon’ingahirainy hoe fakàna vola aman’olona. Voasambotra tany Mahajanga ranamana ary nentina natao famotorana tetsy amin’ny sampana fikarohana heloka bevava eo anivon’ny zandary eny Fiadanana.
Betsaka ireo efa voasoloky satria ho an’ireo tsy mahalala na ho an’ireo sambany vao niditra tamin’ireny tambajotra sosialy ireny dia nihevitra fa ilay olona ambony « nantenainy » tokoa ity miresaka aminy ity. Indrisy anefa fa tsy izay no mitranga mpisoloky no ao ambadik’ilay kaonty. « Mamorona dika mitovy ny kaonty Facebook n’olona maromaro manana andraikitra sy toerana saro-pady eto amin’ny firenena. Ampiasainy ny anarana sy sary manontolo ka idirany avokoa ireo « amis ». Hakana vola ankolaka sy solokiany ireo olona ireo » araka ny fampitam-baovaon’ny zandary.
Ary tena manaikitra ny trondro. Maro amin’ireo lasibatra mantsy no tsy misalasala mihitsy mandefa izay tadiavin’ity olona miresaka aminy, manantena sahady ny hahafatafita ny zavatra noresahina. « Efa mahatratra an-tapitrisany maro no vola azony tamin’izany avy tamin’ireo olona ifandraisany » araka ny vaovao azo hatrany.
Niroso tamin’ny fikarohana ity farany avy hatrany moa ireo zandary ary izao niafara tamin’ny fisamborana azy tao an-drenivohitr’i Boina izao. Efa natolotra ny fitsaràna moa ny raharaha ary nadoboka am-ponja vonjimaika ity mpisoloky ity.
m.L