Valo no voasakana ary 50 kosa no afaka nanohy ny dia tamin’ny zotran’ny kaompania Ethiopian Airlines nihazo an’i Addis-Abeba raha niala teto an-drenivohitra. Ny fanahiana fa nisy nitondra volamena no anton’ny fanapahan-kevitra nampijanonana ireo olona valo, nisy solombavambahoaka iray tamin’ireo. Tsy nisy ny volamena hita na teo aza ny fisavàna naverina indroa miantoana. Raha araka ny fanazavan’ny kaompania dia vitan’izy ireo tsara ny asany dia ny fiandraketana ny anaran’ny mpandeha rehetra izany. Ny lafiny fisavàna kosa dia andraikitry ny sampana hafa. Efa fanindroany izao, raha ny fanazavan’ity kaompania ity ihany, no nisy tranga toy izao. Izany hoe fisavàna faobe noho ny fanahiana fa misy mpanondrana volamena ao anaty lisitry ny mpandeha. Vokatr’izany dia nisy ny fahataran’ny sidina ary nisy koa ny mpandeha najanona. Manaraka ny lalàna napetraky ny fanjakana hatrany ny fandraisana ny fepetra rehetra, indrindra mahakasika ny Notam. Izay mifandraika amin’izany ihany no afaka mandeha. Nisy tamin’ireo mpandeha no nilaza fa hihazo an’i Dubaï, firenena mbola mikatona ny sisin-taniny. Teo indrindra no nisan’ny antony nandraisana ny fanapahan-kevitra ny nandraràna azy ireo tamin’ny sidina, ankoatra ny fanadihadiana nosokafana noho ny fanahiana sao misy fikasàna hanondrana volamena. Efa endrika iray ny toy izao fa nohamafisina ny fitsirihana eny amin’ny seranam-piaramanidina izay malaza fa varavarana hivoahan’ny harem-pirenena. Asa anefa raha mba ho lasa lavitra ny fanadihadiana amin’ity tranga niseho ny tolakandron’ny alarobia ity tetsy Ivato.
D.R