Nanantanteraka valan-kevitra ho an’ny mpanao gazety, ireo mpitarika ny Emmo Reg. Nahitana ireo: manamboninahitra, tompon’andraikitra isanisany eo anivon’ny zandarimariam-pirenena, ny polisim-pirenenana ary ny Tafika Malagasy, omaly tetsy amin’ny Toby Ratsimandrava, momba ilay zava-niseho teo Namontana ny alatsinainy alina teo. “Ao anatin’ny fanarahan-dalàna tanteraka iny tranga iny, ary efa nisy ny tatitra natao tany amin’ny Tonia mpampanoa lalàna” hoy izy ireo. Raha ny tatitra, dia “efa nisy loharanom-baovao azon’izy ireo, ny mombana volabe hentina hanakorontanana, fa indrindra ny saika hanaovana “talata mainty. Efa fantatra ilay olona sy ny fiara nitondra azy, ka izay no anton’ ilay fisavana natao taminy teny Ambohidahy. Taorinan’izay anefa, dia nilaza ilay mpamilin’ny fiara fa aleo hoeny Anosy. Tamin’izay anefa no nanao tari-dositra izy, ka iny tratra teny Namontana iny”. Noho izay tranga rehetra izay, araka ny nambaran’ireto lohandohan’ny mpisorona ao amin’ny fikambanan’ireto mpitandro filaminana ireto, dia “voamarina noho izany ny maha tratra am-bodiomby an’ilay olona. Izay tafiditra tsara ao anatin’ny andinin-dalàna voalazan’ ny Lalam-panorenana”. Etsy andanin’izay anefa, raha misy tokoa izay hoe fahatratrarana am-bodiomby izay, nahoana no tsy niroso tamin’ny fisamborana, ireo mpitandro filaminana, fa navela ho “tafaporitsaka” ilay olona nahitana ireo porofo ambara fa fototr’ilay fahatratrarana ? Fanontaniana goavana isan’ny mahavaka ny maro. Mbola betsaka tokoa ny zavatra mifamahofaho ary hitakian’ireo mpanara-baovao fanazavana, manodidina ity resaka vola iray miliara ity. Nilaza rahateo ireto mpitandro filaminana ireto, fa misy zavatra mbola tsy azo tenenina aloha, satria mbola ao anatin’ny fanadihadiana tanteraka izy ireo. Marihina fa ifarimbonan’ny zandarimaria sy ny pôlisy ny fanadihadiana ny momba ity raharaha ity, raha ny fanazavana azo hatrany. Fantatra ihany koa fa mbola nogiazana ao amin’ny biraon’ny pôlisy miady amin’ny heloka bevava ao Anosy ireo volabe roa baoritra ireo.
m.L