Taorian’ny fahatrarana ilay fiara 4×4 Mitsubishi tao Andranomadio ny alahady atoandro teo, dia nitohy tamin’ny fisavana ny tranon’i Maminirina Jean Eddy tao Salazamay ny raharaha, ka nosamborina tamin’izany ireo mpiambina ilay tanana, i Dolice sy Dany, ary mpanamboatra moto simba tsy lavitra ilay trano antsoina hoe Jean. Raha ny fanazavan’ireo fianakavin’ireto olona telo voasambotra dia tsy jiolahy na mpaka olona an-keriny izany ny zanaka izy ireo; karama miambina ny tananan’i Maminirina Jean Eddy izay efa ho herintaona tsy teto Madagasikara no ataon’izy ireo ao hoy hatrany ireo fianakavinizy ireto ity. Ny tena tsy zakan’ireto fianakavina ireto dia ny fitondrana azy ireo tao Andranomadio, ka nalaina sary teo akaikin’ilay fiara Mitsubishi mba ilazana fa izy ireo no mpiray tendro tamin’ny fakana an-keriny an’i Arnaud. Ho azy ireto izany dia fanasoketana ireo olona rehetra naira-niasa sy niezaka nitady vola tamin’ny fiasana teo anivon’ity mpibizina andramena, tahaka ilay rain’ity tovolahy mbola tsy hita ity, no tian’ny mpitandro ny filaminana atao.
Malala Didier