- Publicité -
dimanche, juillet 6, 2025
AccueilFaits-DiversFislokiana : Lehilahy misoloky mandefa olona any Maurice voasambotra

Fislokiana : Lehilahy misoloky mandefa olona any Maurice voasambotra

Lehilahy iray no nosamborin’ny polisy teny Ankadimbahoaka ny alatsinainy teo. Milaza ity olona ity fa afaka mandefa olona hiasa any amin’ny nosy “Maurice”. Izany Tina Pelaka izany no anrany, araka ny vaovao voaray. Naharay fitarainana marobe ny polisy avy ao amin’ny faritany Ambohidahy mikasika ity zavatra ity. Taorian’ny nisamborana azy ary rehefa nohadihadiana ity lehilahy ity no nahafantarana fa mpiara miasa aminy ihany ireo nosolokiany ireo.  Efa nangalany vola 200 000 ariary tsirairay izy ireo, hoy hatrany ny vaovao. Mahatratra 25 no efa voa. Mahay miresaka ny anao lahy. Nilaza izy fa ny saram-piaramanidina sy ny pasipaoro dia ry zareo no miantoka izany fa ny taratasy hafa dia ireo vonona handeha no manao izany. Rehefa nosavaoina ny tranony dia hita tao avokoa ny taratasy marobe. Nilazany moa ireo mora hambakaina fa ny volana septambra no handeha ho any “Maurice” ireo hiasa any ka handray karama hatrany amin’ny 1 000 000 ariary.

Omaly no natolotra ny mpitsara mpanao famotorana ity lehilahy ity.

Nangonin’I r.s.

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici