Efa nahatratra hatrany amin’ny 10 tapitrisa ariary tany ho any, ny vola lasan’ireto mpisoloky raindahiny ireto, talohan’izao nahasamboran’ny zandary avy ao amin’ny tobim-paritra Ambohimanga Rova azy ireo izao, ny voalohandohan’ny herinandro teo, teny Tsaramasay. Amin’ny alàlan’ny tambazotra sosialy Facebook moa no hanjonoan’ireto olon-dratsy ireto ny hazany.
« Mila mailo amin’ny fampiasana ny tambazotran-tserasera, fa maro sy mitombo andro aman’alina ny asa fisolokiana amin’io sehatra io » hoy ireo tompon’andraikitra eo anivon’ny zandarimariam-pirenena. Raha ity tranga iray ity tokoa mantsy, dia nilaza fa orinasa iray mivarotra kojakoja mahakasika ny angovo azo ahodina izy ireo. Nampitondrain’izy ireo ny anarana hoe « Echossolaire » ireo voalaza fa orinasa ireo araka ny fampitam-baovao avy tamin’ny zandarimariam-pirenena hatrany. Amin’ny alàlan’ny Facebook ihany moa hifandraisany amin’reo mpanjifa amin’ny voalohany ary ataony mihitsy izay haharesy lahatra ity farany. Rehefa tena mihaona amin’izay, dia hakàn’ireto olon-dratsy ireo antsasa-bola avy hatrany ilay mpanjifa ary hatomboka ny asa. « Tonga manatanteraka ny asa tokoa izy ireo, saingy entana tsy tamin’ilay nifanarahana tamin’ny voalohany no nentina no sady tsy zarizary mba hahafahan’izy ireo manery an-kolaka ireo mpanjifa handoa vola hafa» hoy hatrany ny vaovao. Tsy vitan’izay anefa, fa « maro ihany koa ireo sady nandoa vola no tsy nahazo entana. Arirarirany amin’izay ireo mpanjifa hahafahany mandany ny “garantie” nifanarahana ». Nisy tamin’ireo voasoloky moa no nametraka fitoriana avy hatrany ka nahafahan’ireo mpitandro filaminana nanao ny fanadihadiana sy nikaroka ireto olon-dratsy ireto. Marihana fa olona maro tamin’ny toerana samihafa no efa voan-dry zalahy ireto, raha tsy hiteny fotsiny, afa-tsy tany : Mangamila, Itaosy, Ivato, Ambondromamy, Antanifotsy ary ny teny Ambohimanga Rova. Mbola ao anatin’ny famotorana sy ny fanadihadiana tanteraka moa ireo mpitandro filaminana, hahafantarana izay mety ho mpiray tsikombakomba amin’izy ireo hafa. Rehefa vita izay, dia hatolotra ny Fampanoavana tsy ho ela ny raharaha, hoy hatrany ny vaovao voaray.
m.L