- Publicité -
jeudi, mai 15, 2025
AccueilFaits-DiversFisolokiana amin’ny finday : Tratra ilay mpampanantena fiara 4x4

Fisolokiana amin’ny finday : Tratra ilay mpampanantena fiara 4×4

Ela ny ela. Voasambotry ny pôlisy tany amin’iny distrikan’Antsohihy iny ilay lehilahy tompon’antoka sy atidoha, tao ambadik’ilay fisolokiana amin’ny finday : hafatra fohy izay milaza fa voasarika tamina lalao nataona orinasa iray ilay tompon’ny laharana ary nahazo fiara tsy mahataho-dalana. Rehefa miantso ilay tompon’ny laharana dia hangatahiny volabe aloha, fa hoe misy antontan-taratasy tsy maintsy amboarina mahakasika ilay fiara azo, ary tsy maintsy alefa amin’ny alàlan’ireo fandefasana vola amin’ny finday. Rehefa azony anefa ny vola dia tsy misy tohiny intsony ilay raharaha ary maty tanteraka ilay laharana finday nifampiresahan’izy ireo teo. Efa olona maro no lasibatr’io someso io, ary nisy mihitsy aza moa ny nahavatra nitady vola tetsy sy teroa, nindrana sy nidiran-trosa mba hanomezana ilay vola tadiavin’ilay mpisoloky. Fa tsy vitan’izay ihany, ankoatran’io famitahana olona amin’ny alalan’ny someso sandoka io, dia manana paik’ady hafa koa ranamana entina hanaovana ny asa ratsiny. Ireo solon-tenam-panjakana sy ireo tompona orinasa indray no nataony lasibatra tamin’ity teti-dratsiny iray ity. Toy ny nitranga tany amin’iny faritra Bongolava iny. Miantso ny ben’ny tanana na olona manam-pahefana eo amina tanana iray izy ary milaza fa mpanao asa soa, manana tetik’asa hanangana fotodrafitrasa eo amin’ilay tanàna. Asainy manao tolotra hitadiavana orinasa hanangana izay tetik’asa izany io olona antsoina io, ka rehefa fantatra ilay orinasa dia antsoiny indray ny tompony. Hangalàny volabe mba hoe hanaovana antontan-taratasy ilaina amin’ilay tolotr’asa ihany. Vola alefa amin’ny alàlan’ny finday hatrany. Rehefa azony moa io, dia any indray izy dia tsy hita intsony. Orinasa roa hatreto no fantatra fa voany, izay very vola teo amin’ny valo tapitrisa ariary teo ho eo. Nitory avy hatrany ireto ka niainga tamin’io ny fikarohana nataon’ireo pôlisy ary izao niafara tamin’ny fisamborana azy ireo. Mila mailo foana tokoa, fa tsy kely  làlana ny mpanao ratsy. Ny rehetra ihany koa dia tokony hieritreritra foana, fa tsy misy vola ho tongatonga ho azy izany, na hoe nahazo vola na zavatra sarobidy tamina karazan-dalao iray, kanefa tsy nisoratra anarana na nilalao izany akory.

m.L

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici