- Publicité -
mercredi, mai 14, 2025
AccueilCOVID-19Fisolokiana amin’ny resaka Coronavirus : Dimy naiditra am-ponja tany Toamasina, LP ilay...

Fisolokiana amin’ny resaka Coronavirus : Dimy naiditra am-ponja tany Toamasina, LP ilay mpianatra ho mpitsabo

Niakatra fampanoavana fitsarana ambaratonga voalohany Toamasina ny sabotsy teo ny antontan-taratasin’ady roa mikasika Covid-19 avokoa. Ny tonia mampanoa lalana no nisahana azy ireo ka tsy maintsy nandraisana fapetra avokoa izy ireo ny sabotsy teo ihany. Raha ny antontan-taratasy momba ilay mpianatra ho mpitsabo tratra nisoloky olona teto Toamasina, izay nakany 1.000.000 ireo voamarina ho mitondra ny Covid-19 tsy te-ho any amin’ireo toerana fametrahana azy ireo, sy ny fisandohana fa afaka manome taratasy fahasitranana ihany koa ny tenany. Atoa Hoelson José 29 taona mpianatra ho dokotera ity nisy nitory, fa nanomboka tamin’ny 09 ora sy 30min no nanomboka nohenoina izy tao amin’ny fampanoavan’ny fitsarana ambaratonga voalohany, ka tsy nitsahatra izany raha tsy tamin’ny 01 ora sy 30min. Tsy nohenoina akory ny mpitory tamin’izao raharaha izao. Nivoaka ny didy taorian’izay fa fahafahafana vonjimaika, saingy eo ambany fanaraha-mason’ny fitsarana, Ingahy Hoelson José mpianatra ho mpitsabo taona faha-08 ity, nefa tsy maintsy manatona eny anivon’ny polisy isaky ny zoma ny tenany ary tsy afaka miala eto Toamasina ihany koa, izany hoe (liberté provisoire à sous surveillance judiciaire présence à chaque vendredi à la police). Tsy afa-po tamin’izao didy izao anefa ny mpitory, nefa mbola manantena hatrany ny fandraisana andraikitry ny fitsarana amin’izao raharaha izao. Raha ilay antontan-taratasy faharoa kosa dia olona am-polony izy ireo no tao anatiny, noraisin’ny tonia mpampanoa lalana fitsarana ambaratonga voalohany Toamasina ny sabotsy teo hatrany. Fivarotana CVO tsy nahazoana alalana sy hosoka ary tsy manaraka ny fepetra napetraka amin’ny fivarotana CVO ny azy ireo. Ny solon-tenany IMRA eto Toamasina no nanenjika ireto mpivarotra tao Bazary be ireto. Tamin’ny 02 ora sy 15min no vita ny fihainoana azy ireo tamin’izany, ka ny efatra nahiditra am-ponja vonjimaika, afaka nody kosa ireo ambiny rehetra tamin’izao raharaha izao. Vokatr’izay dia feno ranomaso ny teo an-tokontanin’ny fitsarana ny sabotsy teo. Voafitaka ihany koa izy ireo tamin’ny fanangonam-bola 200.000 ariary isaky ny voampanga ho fanavotana azy ireo, saingy very an-javony izany vola be izany fa efa miady amin’ny kolikoly ny fitsarana izao. Raha ny fantatra dia ny 01 jolay ho avy izao no hiakatra fitsarana ireto olona voarohirohy ireto.

Malala Didier

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

3 Commentaires

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici