Efa betsaka no voasoloky saingy mbola maro koa ireo olona no roboka. Faran’izay tsotra anefa ny paik’adin’ireo olon-dratsy. Mandefa sms izy ary milaza ny fisian’ny fisarihana iray. Voalohany dia asainy mandefa sms marobe mba hampitombo ny vintana aminy hahazoana loka. Eo aloha izy dia efa mihinam-bola, asa izay mety ho fifanarahany amin’ny orinasan-tserasera any ambadika any. Eo mantsy dia efa misy olona roboka an-tapitrisany, te-hanankarena tampoka. Rehefa izany dia mbola mitohy ihany ny fisolokiana. Lazaina indray, amin’ny sms hatrany io, fa nahazo ilay loka ary arahabaina sy ny sisa. Misy kosa anefa ny fepetra hahazoana ny loka dia ny fitaterana azy ary hasaina alefa aminy « mobile banking » izany. Dia mbola misy hatrany ny roboka. Ny farany amin’ilay asaratsy dia ny fandefasana ilay olona any amin’ny fahitalavitra tsy miankina eto an-drenivohitra mba hanomezana ara-pomba ôfisialy ny loka. Rehefa tonga eny anefa ilay olona, feno hafaliana, dia akory ny hagagana, na ho azy na ho an’ilay fahitalavitra izay tsy mahafantatra na inona na inona momba ny fikarakarana fisarihana sy fanomezan-doka. Eo vao fantatra ny fisolokiana nahazo ilay olona. Mila mailo hatrany ny mpampiasa finday ka tsy ho roboka mora foana amin’ireny sms tonga ireny. Mora fitahina kokoa mantsy rehefa te-hanankarena tampoka.
D.R