Mivoaka tsikelikely “ny marina” momba ity raharaha fisolokiana araka asa eo anivon’ny sampan-draharaha ara-pahasalamana Toamasina ity. Mijoro vavolombelona ireo mpianatra mpitsabo mpanampy voasoloky tamin’izao raharaha izao fa izany “Mme Noeline” izany no naka sy nanangona ny vola teny amin’ny toeram-panofanana ho mpitsabo mpanampy sy mpampivelona teny amin’ny hopitaly be Analakininina. Nasaina nandoha 04 tapitrisa ariary avy izahay tamin’izany mba hahazoana toerana amin’ny tetikasa ara-bakisiny ao amin’ny minisitera eto Toamasina, mbola asaina mandoha vola 02 tapitrisa ariary koa avy ireo mpianatra raha vita ny fikarakarana ny antontan-taratasy eny amin’ny minisitera. Ankoatra izany dia mbola nasaina nandoha 02 tapitrisa ariary hafa koa ireo te-hiasa eo anivon’ny sampan’ny fitsaboana maso sy tenda ary ny ativava eto Toamasina, ary nasaina nandoha vola 03 tapitrisa ariary indray ireo te-hiasa amin’ireo CSB II roa misy eto Toamasina I. Voalazan’ireto mpianatra voasoloky hatrany fa ilay Mme Noeline no nanome laharana findain’ny Mme Maevasoa Suzie azy ireo taorian’ny fahazoany ny vola. Raha ny angom-baovao natao aza dia efa nisy ny fotoana tonga tany an-tranon’ity Mme Maevasoa Suzie ity mihitsy ireo mpianatra voasoloky nitaraina, satria ny volan’izy ireo lasa nefa ny asa efa herintaona tsy hita ihany. Teo ireo mpianatra vao gaga fa olona tsy mpiresaka amin’izy ireo mihitsy ity ramatoa ity, ary tsy nahalala ny fisian’izany fakana vola be amin’ireo mpianatra izany, sy gaga fa ny anarany sy laharin’ny findainy no miparitaka amin’izao raharaha ny Mme Noeline izao. Mbola ity Mme Suzie ity no nanakana ireo mpianatra tsy handoa intsony ilay ambim-bola 02 tapitrisa ariary, satria misy ny asa eo anivon’ny minisiteran’ny fahasalamana izao, ka tonga dia alefaso mivantana any amin’ny minisitera ny fangatahanareo fa tsy misy izany fandoavam-bola izany.
Malala Didier