Telo taona aty aoriana mbola tsy hita izay marina mahakasika ilay raharaha fisolokiana avo lenta nataona solom-bavahoaka iray, tompona orinasa fanafarana entana avy any am-pitandranomasina. Saika arirariran’ity parlemantera ity foana mantsy ny fitakian’ireo vondron’olona voasoloky, izay miisa eo amin’ny sivy eo raha ny filazan’izy ireo. Teo anatrehan’izany dia nanapa-kevitra ny hanatona mivatana ireo solontenam-panjakana mahefa izy ireo mba hijery akaiky ity zavatra manjo azy ireo ity. Ary dia tsy nisy ny vokatra. Fantatra araka ny tafatafa tamin’ny mpanao gazety nataon’ny solon-tenan’izy ireo tetsy Anjanahary fa efa nahazo taratasy manome alalàna avy amin’ny Birao maharitry ny Antenimieram-pirenena izy ireo, ahafahana manenjika ity ramatoa ity eny amin’ny tribonaly. Mbola miandry ny fanesorana ny zo tsy ho azo enjehina anefa ireto lasibatra ireto, izay tokony ho ao anatin’ny lahadinik’ireo solom-bavaoaka amin’ny fivorian’izy ireo. “Isaoranay etoana ny Filohan’ity andrim-panjakana ity tsy nijery anay fotsiny fa tena nandray ny andraikiny tokoa. Torak’izany ihany koa ireo solon-tenam-panjakana rehetra tsy nanao ankilabao ity raharaha ity” hoy Rtoa Ramahafalisoa Sahoby, filoha tale jeneralin’ny vondrom-pampianarana Petit Nid, solon-tenan’ireo voasoloky. Eo anatrehan’izany dia efa mandeha ny fitoriana ity parlemantera voarohirohy ho nisoloky mpandraharaha maromaro ity. Efa nalaina am-bavany teny amin’ny pôlisy ireto mpitory, anjaran’ilay solom-bavahoaka sisa, hoy ny fanazavana. Marihana fa miisa sivy izy ireo no anatin’ity vondrona ity ary efa mitentina amina miliara maromaro no teti-bidin’ny entana natelin’ilay orinasa. Andrasana ny tohin’ny raharaha.
m.L