- Publicité -
dimanche, juillet 6, 2025
AccueilFaits-DiversFisolokiana avo lenta : Ela nokarohina ka tratra ihany i Gamal Souleman

Fisolokiana avo lenta : Ela nokarohina ka tratra ihany i Gamal Souleman

Voasambotry ny polisy teo Tsaralalàna Antananarivo, ny talata 2 marsa tokony tamin’ny 10 ora alina teo i Gamal Souleman. Efa niandry azy teo ivelan’ny hôtely nisy azy ireo mpitandro ny filaminana noho ny fitoriana voarain’izy ireo fa mpisoloky gaigilahy ity olona nosamborin’izy ireo ity, ary miseho mahitahita eo anivon’ny fitsarana ihany koa. Raha ny vaovao voaray dia vola 15 tapitrisa ariary vidin’ny fiara nanaovany dokambarotra tamin’ny tambajotra “facebook” izay nosolokiany sy nanaovany hosoka izao nisamborana azy izao. Ankilan’izany nandritra ny fisamborana azy tao Antananarivo, dia nitory azy koa amin’ny fanaovana fisolokiana hôtely fandraisam-bahiny nipetrahany ka nahatrarana azy, fa efa mahatratra 7 tapitrisa ariary ny sarany efitranony sy ny sakafony tao amin’izany tsy mbola voalohany. Fantatra ihany koa fa raim-pianakaviana iray monina ao Ankirihiry Toamasina koa no mitory azy ankehitriny, nindramany fiara tsy mataho-dàlana tamin’ireny fihibohana ny taon-dasa ireny izy ity, ka tsy mbola tafaverina ny fiara hatramin’izao. Misy mpandraharaha lavanila ihany koa mitazona azy sy mitory azy koa amin’izao fahatrarana azy izao mikasika ny fivadiam-pitokisana tamin’ny lavanila mahatratra 700 tapitrisa ariary nataony. Ankoatra izany dia be loatra ny falenalenana mihatra amin’ny mpanao fanadiadiana amin’ity raharaha ity. Mbola vao ny eto Antananarivo nandritra nisamborana azy dia efa nisy solombavambahoaka nanao fanelanelanana mba tsy hampidirana azy « violon ». Mbola nitohy io fanelanelanana io vao nigadona teto Toamasina ny fiara nitondra azy avy any Antananarivo. Zandary manana grady kolonely mipetraka eny amin’ny tobin’ny zandary Salazamay no nanao ny fanelanelanana tamin’izany. Tsy nahomby anefa izany tetika izany noho ireo polisy tsy nanaiky lembenana; ka ny maraina vao niverina ilay kolonely amin’ny fifandaminana tokony atao amin’ity mpisoloky avo lenta ity. Nanao ny fanelanelanana rehetra mihitsy ity kolonely zandary ity ka tonga hatreny amin’ny biraon’ny fampanoavana ny tenany nandritra izany. Ho hita eo anefa ny tohiny raharaha eny amin’ny fitsarana…

Malala Didier

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

2 Commentaires

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici