- Publicité SW45 -
jeudi, décembre 12, 2024
- Publicité -
AccueilFaits-DiversFisolokiana avo lenta : Fianakaviana tompon’andraikim-panjakana ambony teo aloha, karohina fatratra

Fisolokiana avo lenta : Fianakaviana tompon’andraikim-panjakana ambony teo aloha, karohina fatratra

Efa mananika ny zato tapitrisa ariary mihoatra tany ho any no efa azon’ity lehilahy mpisoloky ity tamin’ny resaka fivarotana fiara tsy misy tamin’ireo lasibatra. Nahatratra hatramin’ny 15 isa tany ho any ireto no mivondrona, nitory ity mpisoloky raindahiny ity, nampiantso mpanao gazety omaly tetsy Anosy.

« Tsy vitan’ny fisolokiana no nataony taminay fa mbola niampy fandrahonana ihany, rehefa niezaka nitaky ny vola lasany izahay na nitaky ny fiara izay voalaza fa namidiny » hoy ity renim-pianakaviana iray izay efa nahazoany vola mitentina 13 tapitrisa ariary, raha nampanantenainy fiara kely amin’ny vidin’ny 15 tapitrisa ariary. Araka ny voalazan’ireto lasibatra ireto mantsy dia fianakaviana akaikina tompon’andraikim-panjakana ambony teo aloha ity lehilahy ity ary izay toe-javatra izay no entina hanindriana an’ireto olona voasoloky ireto sy hisehoany ho tsy azo kasihana na dia eo aza ny zava-dratsy vitany.

« Nilaza ho manana fiara hamidy maromaro izy tamin’izay fotoana izay, izay an-dalana ho aty Madagasikara. Nilaza izy moa tao anaty ranty tao anaty tambazotra sosialy fa afaka aloha tsikelikely ny vidin’ny fiara, izay tetika matipaika, nentina nanjony anay rehetra ireo. 75 isan-jaton’ny vidin’ny fiara no alainy am-boalohany ary aloha tsikelikely ny ambiny avy eo, rehefa azo ny fiara. Nahatoky azy izahay satria voarakitra anaty fifanarahana ara-barotra mihitsy izany. Rehefa nandeha anefa ny fotoana, tsy hita akory izay fiara tonga eo ary voarirarira foana izay, na mahazo fandrahonana io », raha ny fitantaran’ny iray tamin’ireo lasibatra hatrany.

Marihana fa efa ny taona lasa teo no nisian’io tranga io ary tamin’izay fotoana izay no nampiditra fitoriana azy, noho ny resaka fivadiham-pitokisana sy fandrahonana avokoa ireo lasibatra. Ny andron’ny 25 janoary lasa teo no navoakan’ny avy eo anivon’ny pôlisim-pirenena ny ranty fampikarohana izany lehilahy izany, tao anaty tambazotra sosialy. Fantatra amin’ny anarana hoe Raph Ramanantsoa, izany lehilahy mpisoloky izany, 34 taona, ary nonina teo Tsaramasay na teny Antanimena.

m.L

- Publicité -
Suivez nous
401,973FansJ'aime
9,563SuiveursSuivre
1,463AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici