- Publicité -
vendredi, juillet 18, 2025
AccueilFaits-DiversFisolokiana avo lenta : Lehilahy milaza fa mahay mampitombo vola, voasambotry ny...

Fisolokiana avo lenta : Lehilahy milaza fa mahay mampitombo vola, voasambotry ny pôlisy

Tsy kely lalàna tokoa ny ratsy ary vitan’izy ireo hatrany ny misoloky, izay mety ho azony. Lehilahy iray, antsoina hoe J…, avy any amin’iny faritra Fianarantsoa iny, no voasambotry ny pôlisin’ny boriborintany fahadimy, teny amin’ny Fasan’ny karàna. Voalaza fa mahay mampitombo vola, iray alina ariary ho lasa telo alina ariary amin’ny fomba mahagaga. Tamin’ny fanadihadiana anefa, dia fantatra fa sady mpanaparitaka vola sandoka ity lehilahy ity no mbola mpisoloky gaigilahy koa. Mbola nahitana vola sandoka maromaro ihany koa aza tany aminy, tamin’ny fotoana nisamborana azy.  Raha ny tatitra azo, dia nisy vaovao azo teny anivon’ny pôlisy fa misy olona milaza ho mahay mampitombo vola eny an-toerana. « Maka 10.000 ariary amin’izay sahy mitsapa vintana izy , ataony anatina taratasy mainty roa mitovy refy ilay vola, ary ajobony anaty fitaovana misy rano, asiana vovo-tsavony ary haroharoina avy eo. Afaka fotoana fohy, dia manjavona tokoa ireo taratasy mainty roa ary misolo vola 10.000 ankiroa. Resy lahatra tokoa ary izay sendra azy ka sahy manome vola be mba hampitomboina avo roa heny izany . Raisiny tokoa io vola be io ary atakalony « photocopie » an’ilay vola izay voafono anaty sachet sy vovoka lafarinina ary tsy azo kitihina raha tsy afaka ora maro mba hampitombo azy tsara. Entin’ ilay manome vola mody moa ilay « sachet » ary rehefa tonga any an- trano misava ilay sachet vao talanjona fa lasa « photocopie » an’ilay vola sisa no tao. Mandritra izany anefa izy dia efa lasa nandositra niaraka tamin’ilay vola tena izy ; ity mpisoloky » hoy hatrany ny tatitra. Efa maro tokoa ireo mpisoloky amin’ity fampitomboana vola ity, indrindra fa eo Andrenivohitra. Ny nalaza dia ilay « mena mahazo », « tady kely » na « afokasoka », saingy efa nihalefy izany, rehefa niraradraraka ny fisamborana teo aloha teo. Saingy toa mihamiverina indray izany amin’izao.

m.L

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici