- Publicité SW45 -
dimanche, décembre 22, 2024
- Publicité -
AccueilFaits-DiversFisolokiana avo lenta : Roa lahy milaza ho “kalanoro”, afaka manome volabe...

Fisolokiana avo lenta : Roa lahy milaza ho “kalanoro”, afaka manome volabe sy “mercure”

Olona nofo sy rà fa tsy “kalanoro” hanome vola maimaimpoana.

Sady mpisoloky no mpanamparitaka vola sandoka. Olon-dratsy roa lahy no voasambotry ny zandary tany Befandriana Avaratra ny herinandro lasa teo.

Ela nitoratorahana ry zalahy ireto ka nahavoa mason’angatra nony farany. Raha ny loharanom-baovao azo avy eo anivon’ny zandary dia efa maro dia maro ireo olona no tafajoboka tao anatin’ny haraton-dry zalahy. Izy ireo, izay milaza ny tenany ho “kalanoro” ary afaka manome volabe sy “mercure” ho an’izay olona voajonony. Amin’ny alalan’ny antso an-taroby no hifandraisany amin’ireo lasibatra ary hain’izy ireo tsara mihitsy ny mandresy lahatra izany olona izany. Voalazan’izy ireo amin’izany fa alohan’ny hanomezana ireo volabe sy “mercure” aloha dia mila mandrotsaka vola any aminy aloha. Teo anatrehan’ny zava-nisy sy ireo fitairanana maro isan-karazany voarain’ny zandary dia avy hatrany ny fandraisana andraikitra nataon’ireto mpitandro filaminana tamin’ny fikarohana azy ireo. Tra-tehaka tao amin’ny tanàna iray tao Antanambola Cité, distrika Befandriana Avaratra izy ireo. Nandritry ny fotoana nisamborana azy, hoy hatrany ny vaovao dia mbola nahitàna fonosam-bola, izay heverina ho mitovy amin’ny roa tapitrisa ariary tany amin’izy ireo. Saingy rehefa nojerena tsara izany fonosam-bola izany dia ny teo ivelany ihany no misy ravim-bola sandoka 20.000 ariary ary taratasy fotsiny notapatapahana haka endrika vola ny tao ambany. Notanana natao andrimaso avy hatrany tany amin’ny biraon’ny zandary tao Befandriana moa ireto farany, ho amin’ny famotorana ary natolotra ny Fampanoavana nony avy eo. Tsy kely lalana na oviana na oviana tokoa ny ratsy ary mahita hevitra foana. Mila mailo tanteraka araka izany ny rehetra ary tokony hisaintsaina hatrany vao hanao zavatra na hamoaka vola. Mila hampidirina ao an-tsaina foana ihany koa fa tsy misy olona na “kalanoro” hanome volabe maimaimpoana izany fa tsy maintsy ao raha …

m.L

- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
401,973FansJ'aime
9,563SuiveursSuivre
1,463AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici