- Publicité SW45 -
jeudi, décembre 12, 2024
- Publicité -
AccueilFaits-DiversFisolokiana avo lenta teto Toamasina : Olona telo very ny vola be...

Fisolokiana avo lenta teto Toamasina : Olona telo very ny vola be saika hiviadianana fiara

Tena mahay ireo mpisoloky amin’ny alalan’ny varotra fiara ity amin’izao. Olona telo ka ny roa mpivady fa ny iray kosa naman’izy ireo. Notsenaina ara-dalana teny amin’ny fiantsonan’ny taxi-brousse izy telo, ka lehilahy roa izay milaza ho tompon’ny fiara ny iray ary ilay faharoa milaza ho mpamiliny.

Efa nanomboka teo ny dokam-baritra an’ilay fiara ary naseho an-tsary ilay fiara amidy. Tonga dia nandeha tamina trano iray teto Toamasina fa avy hatrany dia reketina ny varotra sy ny taratasy samy hafa ny faran’ny herinandro teo ihany. Raikitra ny fisotrona samy hafa niaraka tamin’izany, ka namoaka ranom-boakazo, “jus”, ilay mpivarotra fiara nandritra izany. Vao avy nisotro ilay ranom-boakazo izy ireo dia avy hatrany dia tafatory fa fanina; tao,anatin’izay anefa dia nalain’ireto olona milaza mivarotra fiara ireto ny zava-drehetra teny amin’izy ireto olona telo hividy fiara. Lasa ny vola sy ny finday tao anatin’izany ireo; saingy tsy hitan’ireto olona olona mpisoloky ilay finday iray tao anaty “poche secret”. Raha vao afaka ny dozin’ilay zavatra nosotroina dia niantso ny havany tany Antananarivo ny olona iray nanana finday ity, ka izy indray avy eo no niantso ny havany teto Toamasina hijery ny tena zava-misy nitranga tamin’ireto olona telo voasoloky ireto. Tadidin’ilay iray efa nahatsiaro tena ny toerana nitondrana azy ireo ka niaraka tamin’ny havany izy nandeha tamin’ilay toerana. Tonga tao amin’ilay trano izy ireo saingy efa tsy tao ireo olona mpisoloky nokarohina. Tao anatin’izany anefa tsy mbola nahatsiaro tena ireo olona roa tamin’ny telo torana avy nisotro ranom-boakazo. Nentina teny anivon’ny toeram-pitsaboana ireto olona torana avy nisotro ranom-boakazo ireto, ary efa nahazo ny fitsaboana sahaza azy izy telo voasoloky. Ireo mpisoloky kosa tsy hita izy ireo miaraka amin’ny vola be sy ireo fitaovana nalain’izy ireo tamin’ireto olona telo voasoloky ireto.

Malala Didier

- Publicité -
Suivez nous
401,973FansJ'aime
9,563SuiveursSuivre
1,463AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

1 COMMENTAIRE

  1. ENTANINA IZAY REHETRA MANANA ERITRERITRA HIVIDY FIARA ATY TOAMASIANA MBA TSY HIARAKA HISOTROSOTRO AMIN’NY MPIVAROTRA FIARA FA EFA IZAY FOANA NY TETIKA FANDRE MATETIKA ETO TOAMASINA. REHEFA HIRESAKA VOLA TONGA DIA ANY AMIN’NY BANKY NO MIRESAKA.

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici