- Publicité -
samedi, juin 7, 2025
AccueilFaits-DiversFisolokiana avo lenta : Tompon’andraikim-panjakana sandoka, nanangona 3000 Ar isan’olona

Fisolokiana avo lenta : Tompon’andraikim-panjakana sandoka, nanangona 3000 Ar isan’olona

Vola mitentina valo hetsy Ariary mahery kely teo no efa voaangon’izy roa lahy tamin’ireo tantsaha tany amin’iny distrikan’i Befotaka Atsimo iny tamin’ny alalan’ny fisolokiana sy fampanantenana zavatra tsy misy azy ireo. Milaza ho tompon’andraikitra amin’ny Fambolena sy fiompiana izy ireo ary miara-miasa amin’ny tetikasa iray, vatsian’ny banky iraisam-pirenena. Manao fanentanana ho amin’ny fampiroborobona ny fambolena sy fiompiana izy ireo ary mitady olona hofanina hatao teknisianina amin’izay sehatra izay izy ireo ary mitety ireo tanana ambany vohitra. Saingy voalazany fa ahafahany misitraka io fiofanana dia mila misoratra anarana sy mandoa vola telo arivo Ariary. Vola izay ambaran’izy ireo fa oneran’ny tetikasa ambony eny (200.000 Ariary) isaky ny roa volana ao anatin’ny enim-bolana. Mazava ho azy fa maro ireo roboka, nazoto nisoratra anarana sy nandoa ilay vola telo arivo ariary. Izy ireo rahateo, voalaza fa tena mahay mandresy lahatra, moa etsy andanin’izay, dia misy taratasy milaza mazava ny iraka hampanaovina azy ireo, izay voasonian’ny sefo distrika sy voahisy tombokase. Raha ny fantatra dia efa maromaro ihany ireo olona voajonon’izy ireo, saingy tamin’ity indray mitoraka ity dia vaky barara ny fisolokiana nataon’izy ireo, raha tonga tao amin’ny fokontany sy kaominina tao Bekofafa, any amin’iny distrikan’i Befotaka Atsimo ireto mpisoloky ireto. Nisy nampandre avy hatrany mantsy ny zandary ary tonga haingana izy ireo. Roa lahy ireo voasambotra, ny faran’ny volana teo. Tamin’ny fisavàna azy ireo no nahitàna ilay taratasy tsy ara-dalàna misy tombokasem-panjakana sy soniana tompon’andraikitram-panjakana, izay fantatra taorian’ny famotorana azy ireo fa hosoka. Mbola tratra tany amin’izy ireo ihany koa moa ireo vola azony tamin’ireo lasibatra, niaraka tamin’ny antontan-taratasy maromaro sy ny fitomboka sandoka fampiasan’izy ireo. Efa nentina nihazo ny tampon-tanan’i Befotaka Atsimo izy ireo ary efa natolotra ny Fampanoavana. Marihana fa niditra ho mpitory amin’izao raharaha izao ny lehiben’ny distrika any an-toerana izay.

m.L

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici