- Publicité -
vendredi, juillet 11, 2025
AccueilFaits-DiversFisolokiana avo lenta : Voavidy am-pitsanganana ireo lasibatra, lasa ny volabe

Fisolokiana avo lenta : Voavidy am-pitsanganana ireo lasibatra, lasa ny volabe

Amin’izao fotoana izao, dia manao izay fomba rehetra mihitsy ireo mpisoloky entina hangalana vola amin’ireo lasibatra. Ary ny mahagaga dia mazàna mampiasa tambajotra izy ireo, miara-misalahy amin’izany asa ratsy izany. Toy ity olona  voasambotra tetsy Ambohimanarina ity, ny talata lasa teo, izay malaza amina fisolokiana amina resaka « menaka Dragon de mer ». Ity vokatra ity be mpitady tokoa kanefa lafo dia lafo ny vidiny. Vola mitentina eo amin’ny valo tapitrisa ariary teo ho eo no efa azony tamin’ilay olona lasibatra. « Nolazainy fa misy vahiny hividy ilay izy ary mahasahy mividy lafo saingy mbola tsy ento an-toerana. Mody miantso izy ka lazainy fa ilay vahiny hividy ilay menaka, mody ampiresahany amin’ny finday eo ilay olona hosolokiana ka dia manaiky avy hatrany. Mbola itondrany olona hafa koa milaza fa “expert” ka mijery ilay menaka ka dia matoky tanteraka ilay voasoloky. Rehefa nojerena ilay zavatra, kay tsy izy akory », hoy ny fampitam-baovao. Efa maro ny olona voany tamin’ity resaka ity, saingy izao izy tratra izao ihany. Fa mbola resaka fisolokiana hatrany, tetsy Ankorondrano indray. Mpivarotra fiara iray no lasibatr’ireo mpisoloky ka nahazoan’izy ireo vola iray tapitrisa ariary any ho any. Ny fihetseham-pon’ilay olona lasibatra indray lalaovin’izy ireo amin’izany. Milaza fa avy lavitra ireto mpisoloky ka hividy an’io fiara io ihany no hiakarany aty Andrenivohitra. Teny an-dalana anefa dia miantso amin’ny finday izy ireo fa nandona sy nahafaty olona ny fiara nentiny, kanefa misy fifampaharahana azo atao ihany tamin’io fianakaviana. Milaza ho tsy ampy anefa ny vola any amin’izy ireo ka mangataka fanampiana izay mitentina eo amin’ny iray tapitrisa ariary eo ireo farany. Misy olona maromaro mihisy asain’izy ireo miresaka amin’ilay olona hosolokiana mba handresy lahatra azy handefa ilay vola. Ny tomany sy fiangaviana amin’io mandeha ihany. Entanim-po amin’izay lasibatra ka dia mandefa ilay vola takiana, kanjo any dia tsy hita intsony iretsy farany. Tsy kely làlana tokoa ny ratsy amin’izao ka tokony hitandrina foana ny tsirairay.

m.L

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici