- Publicité -
lundi, juillet 14, 2025
AccueilFaits-DiversFisolokiana avolenta : Lehilahy iray voaroba 60 tapitrisa tamina varotra vatosoa sandoka

Fisolokiana avolenta : Lehilahy iray voaroba 60 tapitrisa tamina varotra vatosoa sandoka

Lehilahy iray no natolotra ny fampanoavana ny talata lasa teo noho ny fisolokiana tamin’ny resaka vatosoa « rubis » rehefa voasambotry ny polisy ara-toekarena, etsy Anosy, tany Antsohihy, ny alakamisy 23 martsa. Araka ny fampitam-baovao avy amin’ny polisim-pirenena dia tena maty paika tokoa ny nanatentarahany ny asa-ratsiny ka nahafahany nandroba 500 tapitrisa ariary tamin’ilay voasoloky. Nilaza ho manana vato « rubis » tena tsara karazana ity lehilahy ity teto Antananarivo ary nambarany  fa misy vazaha hividy izany, saingy tsy mahay miteny frantsay izy ka naka olona iray mba ho mpandika teny ho azy. Nanomboka teo ny tetika rehetra izay natao an-telefaonina avokoa. Nilaza ilay vazaha fa handefa teknisianina hijery ny entana. Nanambara tokoa ity voalaza fa teknisiana  fa mitentina amina milliara maromaro tokoa io vato io, satria tena “top ». Ilay vazaha kosa anefa izay milaza fa mbola any Nosibe ka tsy ho tonga aty Antananarivoi raha tsy afaka telo andro. Nilaza ho tsy manam-bola ary ity tompon’entana fa tsy maintsy hody any Mananara-Avaratra, nefa tsy manam-bola ka nindrana 100 tapitrisa ariary tamin’ilay mpandika teny fa hosoloina rehefa tonga ilay vazaha, izay nambaran’ilay teknisiana fa tena hividy ilay vato tokoa. Ho porofon’izany dia nambarany fa efa noseleny ilay vato mba tsy ho azo amidy amin’olon-kafa intsony. Noho izany dia nanome ilay 60 tapitrisa ariary an’ity mpisoloky izy. Taoirian’izay, nilaza ilay vazaha fa efa eny an-dalana saingy tratran’ny lozam-piarakodia ka mila vola 5 tapitrisa ariarymaika sao hono iharan’ny fitsaram-bahoaka. Nilainy izany, satria izy tsy manana vola malagasy fa euro, ary nanamafy izany ny olona iray izay milaza fa komandin’ny borigadin’ny zandarimaria. Nentim-pahatokisana ilay mpandika teny ka nandefa ilay vola. Taaorian’izay anefa dia tsy hita intsony ilay vazaha sy ilay milaza fa manana rubis. Taorian’ny fikarohana nataon’ny polisy dia tratra tany Antsohihy ity farany ary niaiky ny heloka vitany. Ary izao natolotra ny Fitsarana izao.

T.M.

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici