Na dia efa betsaka aza ireo voasambotra, mbola maro ireo mpandimby ilay asa, ary tsy vitsy an’isa ihany koa ireo mbola tafaroboka ao anatin’ny haraton’izy ireo. Tsy iza izany fa ireo mpisoloky an-dalambe, ary saika ahitana azy ireo manerana ireo toerana be olona eto an-drenivohitra. Ao amin’ny tambajotra sosialin’ny zandarimariam-pirenena ao moa dia tsy mitsahatra izy ireo manentana amin’ny fahamailoan’ny tsirairay manoloana ireny karazam-pisolokiana eny an-dalambe ireny. « Raha vao resaka volamena na vato sarobidy, hoy izy ireo, no anatonany sy ilany resaka aminao, dia mandehana mandeha fa mpisoloky izay ry zareo ». Mahagaga tokoa fa tsy miova hatramin’izay ka hatramin’izao ny tetik’adin’ireto tontakely ireto, kanefa dia mbola mahatratra trondro foana izy ireo ao anaty haratony. Raha ny filazan’ireo zandary, rehefa izy izay no manatona anao avy hatrany ary manontany ora, na milaza ho tsy mahita lalana, mampiresaka be rehefa avy eo ary milaza ho mahalala anao sy mahafantatra ny mombamomba anao rehetra, eny fa hatramin’ny havanao sy ny tanàna niaviana mihitsy aza, dia tokony ho mailo tanteraka ny olona. Mazàna mantsy, hoy izy ireo, mitohy amin’ny resaka fividianana volamena na vatosoa ilay izy, ary miafara amin’ny fangatahana « poste » (finday hiantsoana) na findramana vola. Any dia tsy hita miaraka aminy anefa ireo zavatra ireo, fa vovoka mozika, lazaina fa volamena na vakin-tavoahangy voalaza ho vato sarobidy no avelany eny am-pelatanan’ilay lasibatra.
m.L