- Publicité -
dimanche, juillet 6, 2025
AccueilFaits-DiversFisolokiana ho fiarana zandary nitaterana rongony : Olona dimy voarohirohy, efatra nampidirina...

Fisolokiana ho fiarana zandary nitaterana rongony : Olona dimy voarohirohy, efatra nampidirina am-ponja

Olona dimy no voarohirohy tamin’ilay raharaha rongony tany Ihosy, izay nampiasana laharana fiarana zandary sy napetaka tamina fiarana sivily izay nitaterana rongony. Taorian’ny fanadihadiana izay nataon’ny teo anivon’ny polisim-pirenana dia fantatra fa ny efatra tamin’ireo ihany no nampidirina am-ponja vonjimaika. Tsy nijanona hatreo anefa iny raharaha iny. Fantatra izao fa nametraka fitoriana avy hatrany teny anivon’ny fitsaràna ambaratonga voalohany ao Ihosy ireo voaloto tao anatin’ity raharaha ity. « Tsy nijanona tamin’izao fotsiny ny zandarimariam-pirenena fa nametraka taratasy fitoriana noho ny fisandohan’andraikitra sy fampiasana fitaovan’ny zandary tsy ananana fahefana ho amin’izany », hoy ny fampitam-baovao. Tsiahivina fa fiaran’olon-tsotra, an’ny manambanohitra ambony, no nopetahana laharana Z5160, izay laharana manokana ahafantarana ireo fiara ampiasan’ny zandary eo anivon’ny Vondron-tobim-pileovana Androy, ary nampiasaina nitondràna rongony 20 gony. Tsy vitan’izay fa mitonona ho isan’ity vondrona mpitandro filaminana ity ilay mpamily, izay nitondra fanamiana sy galona. Raha ny fanazavàna azo anefa dia efa zandary voaroaka izy noho ny firaisany petsapetsa tamina andian-jiolahy. Araka izany, hentitra ny avy eo anivon’ireo mpitory izay milaza fa tsy hanaiky velively ity fandotoana ny anaran’izy ireo ity. « Io fitoriana io dia miantefa amin’ireo rehetra nanatanteraka io fisandohana io, ary koa amin’izay rehetra nanampy azy ireo tamin’izany na ara-pitaovana na ara-kevitra, na iza izy na iza, na zandary izy na sivily na hafa koa » hoy hatrany ny fampitam-baovao avy eny anivon’ny zandarimariam-pirenena. Ireto farany moa amin’izao, dia miezaka hatrany hatrany manatsara ny endrika ivelany amin’ny alalan’ny fanadiovana anatiny.

m.L

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici