Dia raharaha tokoa ity te-hiditra ho mpiasam-panjakana ity ! Lehilahy roa samy mipetraka eny an-drenivohitr’i Bongolava no voasoloky vola efatra tapitrisa ariary tamina lehilahy izay mitonona ho mpanolotsaina manokan’ny Filoham-pirenena. Nametraka fitoriana avy hatrany ireto olona lasibatra ireto ary niroso avy hatrany tamin’ny fisamborana ireto zandary tao Tsiroanomandidy. Ny alarobia teo no voasambotra ilay rangahy mpisoloky. Tamin’ny fisavàna natao azy dia nahitàna izay karatra maha-mpanolotsaina manokan’ny Filoha izay izy tany aminy tany. Raha ny zava-nitranga : ny volana novambra lasa teo dia nilaza ity rangahy ity fa mahatafiditra olona ho mpiasam-panjakana, noho izy akaiky kokoa ny fitondrana. Tsy maintsy misy vola aloa anefa ny amin’izay, ka eo amin’ny iray hetsy sy efatra tapitrisa ariary eo ho eo no totalin’ilay vola. Olona roa no tafaresaka taminy ary dia « nijoboka » araka ny tenin’ny tanora, satria dia nanome ilay vola. Efa somary avo lenta tokoa ilay fisolokiana, satria nomen’ity farany “convocation” izy roalahy ho setrin’ny vola noraisina ary nampanantenaina fa ny voalohan’ny volana febroary lasa teo no hiditra hiasa. “Ny 7 febroary 2017 dia tonga tany indray io mpisoloky io ary nilaza fa mbola misy olana ilay taratasy mikasika ny “information” fa mihemotra ilay fidirana”, hoy ny fampitam-baovao avy amin’ny zandary. Taorian’izay vao tonga saina ireo roalahy fa tratran’ny fisolokiana ary nanapa-kevitra ny hametraka fitoriana tany amin’ny zandary, ary dia izao niafara tamin’ny fisamborana azy izao. Nentina nanaovana fanadihadiana avy hatrany moa ity olona ity, araka ny vaovao hatrany, ary hatolotra ny fitsaràna tsy ho ela.
m.L