- Publicité -
mardi, juillet 1, 2025
AccueilFaits-DiversFisolokiana ho mpanao gazety : Nametraka fitoriana ny Holafitra (OJM)

Fisolokiana ho mpanao gazety : Nametraka fitoriana ny Holafitra (OJM)

Mpanao gazety namana iray avy amin’ny televizionina malagasy no nisy nisoloky, nitondra ny anarany tamina hetsika iray teny Mahamasina. Tsy vitan’ny nitonona ho mpanao gazety anefa ity ramatoa ity fa mbola nangalatra ireo entan’ny mpikarakara tao amin’ireo hetsika io. Pôketra niaraka tamina volabe maromaro no voalaza fa lasany tamin’io fotoana io, raha ny fantatra. Teo anatrehan’izay tranga izay dia nametraka fitoriana eny anivon’ny pôlisy misahana ny heloka bevava eny Anosy ny biraon’ny holafitry ny mpanao gazety, notarihin’ny Filoha lefitra eto Antananarivo, omaly, teny Anosy. Tamin’ny valan-dresaka nataony no nilazany fa isan’ny mampihena ny lanjan’ny tena mpanao gazety ny fisian’ireo mpisoloky, izay mihamaro isa. Noho izany dia manentana ireo mpikarakara hetsika izy hitaky hatrany ny karatra maha mpanao gazety, ary hiantso avy hatrany ny toeram-piasan’ilay olona, raha misy ny trangan-javatra mampiahiahy. Tsy io tranga io ihany mantsy no fantatra fa nisy. Efa betsaka ireo olona tratran’ireo mpanao gazety sandoka ireo. Ary tsy vitan’ny fangalarana no ataon’ny sasany, fa mandeha mandrahoana sy mitaky vola aman’olona, amin’ny anaran’ilay tena mpanao gazety izy ireo.

m.L

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser