Vokatra goavana indray no nataon’ireo pôlisy avy ao amin’ny kaomisarian’ny boriboritany voalohany etsy Analakely. Tambajotrana mpisoloky, malaza ratsy sy efa nambotry olona maro mantsy no ravan’izy ireo ny talata teo. Miisa dimy ireo olona tratra ireo ka voalaza fa mpamonjy voina iray no atidoha nikotrika ity fisolokiana goavana ity. Betsaka ireo olona no mitaraina ny amin’ny fisian’ny olona ; izay misandoka ho mpiasan’ny kaominina ambonivohitr’Antananarivo (Cua). Mandeha any amin’ny tokantranon’olona izy ireo ary milaza fa mpiasan’ny « voirie » ka afaka manamora ny fikarakarana taratasy eo anivon’ny kaominina. Maka volabe amin’ireo olona izay sendra azy ireto olona ireto. Raha ny loharanom-baovao hatrany kanefa rehefa mandalo any ilay olona voasoloky dia tsy misy an’izany akory. Efa vola an-tapitrisany maro no lasan’ireo olona raha ny voalazan’ireo pôlisy hatrany. Nametraka fitoriana teny amin’ity kaomisaria ity araka izany ny kaominina. Sarona tamin’izany ny mpamonjy voina iray, niaraka tamin’ny namany, rehefa napetraka ny velam-pandrika. Tamin’ny alàlan’ny fampahafantarana tsotsotra nomen’ireo olona efa voa mantsy no nahatratrarana an’ity « pompier » ity sy olon-tsotra hafa, ny talata teo. Tamin’ny fanadihadiana nataon’ ny pôlisy an’ity lehiben’ny mpisoloky ity no nanondroany ireo mpiray tsikombakomba ratsy aminy, ka anisan’izany ny olona roa, izay voalaza fa mpiasan’ny boriborintany fahadimy, tetsy an-danin’izay ihany koa ny iray izay voalaza hatrany fa « inspecteur d’hygiène ». Natolotra ny Fampanoavana omaly izy ireo ka ny efatra no nalefa any am-ponja raha nahazo fahafahana vonjimaika kosa ny olona iray. Fantatra fa mety amin’ny faramparan’ny volana eo ho eo ny fotoam-pitsarana ireo andian’olon-dratsy mpisoloky ireto.
m.L