- Publicité -
samedi, juillet 12, 2025
AccueilFaits-DiversFisolokiana : Karohan’ny polisy fatratra i Arsène

Fisolokiana : Karohan’ny polisy fatratra i Arsène

Namoahan’ny polisy avy etsy amin’ny kaomisarian’ny boriborintany voalohany taratasy fampikarohana ny lehilahy iray antsoina hoe « Raoelison Arsène ». Araka ny vontoatin’ity taratasy   ity dia voarohirohy noho ny resaka fisolokiana ny lehilahy ary tsy hita tany nanjavonana hatreto. Araka izany, hiangaviana izay rehetra manana vaovao mahakasika ity lehilahy ity mba hiantso ny laharana 0340599827/0344619936 na hanatona ireo mpitandro filaminana akaiky azy ireo. Ireto farany kosa dia hampirisihana mba hisambotra azy avy hatrany. « Ny Polisim-pirenena dia manome toky, fa mijanona ho tsiambaratelo ny mombamomba ny mpanome vaovao.
-Ny olona mandray na mampiantrano na manafina olon-dratsy, dia raisina ho mpiray tsikombakomba aminy ka hohenjehana araka ny lalàna 
» raha ny hita ao anatin’ity taratasy fampikarohana ity. Marihana, fa teny amin’ny « Lot FM 08 Bis B Villa Onintsoa III Antehiroka » no toeram-ponenany sy nahitana azy farany.

Nangonin’i m.L

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

1 COMMENTAIRE

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici