- Publicité -
mardi, juillet 8, 2025
AccueilFaits-DiversFisolokiana : Lahiantitra mihaja, mividy entana amin’ny seky sandoka

Fisolokiana : Lahiantitra mihaja, mividy entana amin’ny seky sandoka

Velon-taraina avokoa ireo mpivarotra sasantsany efa voan’ity lehilahy ity. Rangahy iray, efa somary nahazohazo taona ihany, miaraka amina malety sy palitao, no miditra amin’ireny mpivarotra entana avo lenta amina teknolojia ireny. Misafidy izay zavatra tsara sy lafo izy ary rehefa raikitra ny varotra, araka ny filazana olona efa voany, dia mankeny amin’ny fandoavam-bola ranamana. Mody manokatra ilay malety ary misavasava ao anatiny. “Amin’izay fotoana izay dia milaza izy fa tsy nitondra ravim-bola fa seky no handoavany azy io”. Rehefa handeha haka ilay vola teny amin’ny banky amin’izay vao maina kina ireo voasoloky. Lavin’ny banky mantsy ilay seky fa tsy mitovy ny sonia. Ambonin’izay ihany koa dia mbola sandoka io taratasim-bola io. Tsy misy tandroka tokoa ny ratsy. Rehefa mahita ny toetoetr’ity rangahy ity tokoa ny olona dia matoky azy. Saika fomba fiadin’ireo mpisoloky foana moa izany hatramin’izay. Ny paozy ety ivelany miampy ny fahaiza-miresaka no tena hambaboany ireo hazany. Eo anatrehan’izany, raha vao resa-bola dia tokony ho mailo hatrany, tsy hatokitoky olona fahatany.

m.L

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser