Omaly no natolotra ny fampanoavana ireo olona telo izay voarohirohy ho mpiray tsikombakomba amin’ilay teratany Maorisiana, efa eny Antanimora ankehitriny. Nidoboka am-ponja koa ireo olona ary eny Antanimora ihany. Olona efa ho roa arivo no voasolokin’ireo ary volabe no heverina fa efa azon’ity tambajotra iray ity. Ilay Maorisiana dia nilaza fa manodidina ny iray hetsy ariary no alainy aman’olona. Ireo namany kosa indray dia mihoatra noho izany ny vola azony ary tonga hatramin’ny iray tapitrisa ariary, raha araka ny fanamarihan’ny mpitandro ny filaminana. Tany am-boalohany dia efa nampitolagaga ny vitan’ireto olona ireto, satria olona 600 no nifandimby nametraka fitoriana raha vao fantatra fa voasambotra ilay Maorisiana. Tsy nijanona teo anefa izany ary tafakatra hatramin’ny 2000 ny olona izay efa voasoloky. Mora ho azy ireo ny manatontosa ny asa ratsy, satria iaraha-mahalala ny tsy fisian’ny asa eto amin’ny Nosy. Betsaka ny roboka ary indrindra koa, tamin’ity indray mitoraka ity, dia nampanantenaina ny olona fa any Maorisy no hiasa. Izany hoe sady mandray devizy izany no afaka amin’ny fahantrana mihoapampana eto . Izay avy hatrany no tao an-dohan’ny maro izay namorona ny tsy misy mba hamondronana ny vola izay nilain’ireo mpanome asa. Kinanjo fisolokiana tanteraka no nitranga. Tsy vao voalohany koa no niseho endrika fangalarana volan’olona avy amin’ny fisolokiana toy izao. Ny samy teratany malagasy no mifanabotry amin’ny fisandohana, fa mahalala olona ambony ary afaka mampiditra ho mpiasam-panjakana. Betsaka koa ny roboka amin’io endrika fisolokiana iray io ary na efa betsaka aza ny voasambotra tamin’ireo mpanao ratsy dia mbola misy ihany ny olon-tsotra izay tafiditra ao anaty vela-pandrika maloto.
D.R