Telolahy izay voarohirohy amin’ny resaka fisolokiana amina resaka “ mercure” no voasambotry ny pôlisy ekonomika avy etsy Ambohidahy ny voalohandohan’ny herinandro teo. Mbola tratra niaraka tamin’izy ireo ny “mercure” sandoka, izay fantatra fa ran’osy sy divay, niaraka tamina ody gasy maromaro. Vola an-tapitrisany maromaro ihany koa no efa lasan’ireto mpisoloky ireto. Raha ny zava-nitranga, araka ny tatitra avy amin’ny pôlisim-pirenena, dia niainga avy tamina fitoriana napetrak’ireo olona voasoloky tamina resaka “mercure” ny fanadihadiana. Nandray ny andraikiny avy hatrany ireto farany ka nisy avy hatrany ny olona roa voasambotra tetsy Analamahitsy. Mbola tratra tany amin’ireto olona ireto ilay ny mercure sandoka sy ody gasy maromaro ary fitaovana isan-karazany nentin’izy ireo nanaovana ny asa ratsiny. “Ny fanadihadiana natao no nahalalana fa efa nahazoan’ireto olona ireto 9.000.000 Ariary ilay mpitory, ary avy any amin’ny faritra Fianarantsoa ireto olona ireto izao tonga eto Antananarivo izao, ary dia mbola nitohy hatrany ny fikarohana, satria dia mbola misy naman’izy iray hafa koa voalaza fa tompon’antoka amin’izao raharaha izao. Ity farany izay voasambotra ny 26 desambra 2017 teo tokony ho tamin’ny 8 ora maraina teny Analakely, ary mbola nahatratrarana « mercure » sandoka iray tavoahangy ihany koa”. Ankatoky ny fety tokoa isika izao ka manao izay azony atao avokoa ny rehetra hitadiavam-bola, eny fa na hatramin’ireo olon-dratsy aza. Amin’izay lafiny izay dia “manentana antsika vahoaka hatrany ho malina manoloana ny firongatry ny asa fisolokiana toy izao”. Efa natolotra ny Fampanoavana moa ireto mpisoloky ireto, ary nadoboka am-ponja avy hatrany miandry ny fotoam-pitsaràna azy ireo.
m.L